Teny iditra mangataka (hataka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miangavy hanome: Nangataka vola tamiko izy nefa tsy nomeko fa asa no nomeko azy
Miangavy hanao, mitalaho, mihanta: Mangataka anao aho mba hanasitrana an' Ineny
Mifona ho an' olona: Ianao izao no mba hangataka ho anay madinika any amin' ny lehibe.
Mitovy hevitra: mananty an-tanan-droa ~ manao hata-maso ~ manao hatak' adala ~ manao hatapiso ~ miambezo ~ miangavy ~ miangola ~ miangoty ~ mierina ~ mifendrofendro ~ mihanta ~ mikonetaka ~ milela-paladia ~ mitalaho ~ mitambitamby ~ mitampesona ~ mitofendro ~ mitomany ambony fe ~ mitosy ~ mivavaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To beg [1.2, 1.7]
 To ask [1.2]
 To ask for something [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Demander; mendier [1.8]
Ohatra 
1Kibo noana tsy mangataka andro. [2.558]
2Koa mangataka olona aminao aho. [2.508]
3Moa mety sa tsy mety ny mangataka amin' ny Razana? [2.314]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mangataka, mangata-
Ny lasa : nangataka, nangata-
Ny hoavy : hangataka, hangata-
Filaza mandidy : mangataha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/17