Teny iditra mangadihady (hadihady)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza toerana foana tsy misy na inona na inona fa osa daholo izay zavatra tao, toy ny tany tsy misy ahitra na voly izany, na toy ny loha nokakasana: Nataony nangadihady ny lohany ka saika tsy fantatro izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Bare, barren (country); bald, as the head. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Nettoyé, complètement vide, nu, découvert, pelé: Mangadihady ny trano (La maison est complètement vide) ~ Mangadihady ny lohany (Sa tête est pelée, chauve, rasée) ~ Tany mangadihady (Pays nu, découvert) ~ Tondiombohitra mangadihady (Montagne pelée) [1.3]
Ohatra 
1Tanety sola sy mangadihady sisa no navelany dia nifindra lasy indray izy. [2.445]
2dia ilay tanàna kely mangadihady mitorevaka eo afovoan' ny torapasika mahamay. [2.499]
3Maro ireo tehezan-tendrombohitra no mangadihady, tsy ahitana hazo maniry intsony. [2.117]
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/18