Teny iditra mandrindrina (rindrina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao izay hiadian' ny lelavaravarana amin' ny batana mba tsy hahafahany mivoha (mba hitoviany tantana amin' ny rindrina); manakatona: Efa mahay mandrindrina varavarana ny zafikeliko
Mametraka olona ao anaty trano mba tsy hahafahany mandehandeha: Nisy nandrindrina an' itý zaza itý tao an' efitra tao ka nitomany foana tao izy
Mametaka varavarana: Mba tsy mahay koa izay mpandrafitra nandrindrina itony varavarana itony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To close [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fermer [1.8]
Ohatra Tsy nanome tsiny azy ireo aho ankehitriny fa mandrindrina ny fakam-panahy! [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandrindrina
Ny lasa : nandrindrina
Ny hoavy : handrindrina
Filaza mandidy : mandrindrìna

Teny iditra mandrindrina (rindrina)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza olona sady lehibe no lava, ranjanana, goaibe: Tsitapitapitrizay indro nisy lehilahy nandrindrina be nanatona ahy [1.1]

Teny iditra mandrindriña
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Mandondona [1.78]
Ohatra Malaza ho be mpamosavy ny vohitra sasantsasany tsy maintsy lalovany ka nampitsangam-bolo azy roalahy isaky ny misy aloka iray mandrindrina. [2.470]

Teny iditra mandrindrìna (rindrina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandrindrina [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20