Teny iditra mandratra (ratra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tambahoaka, Tanala] Manimba [1.78]
 Manisy na mamely olona amin-java-maranitra ka mahatonga azy hanana fery: Esory io vy maranitra io sao mandratra ny zanakao
Mampitondra alahelo: Nanao teny nandratra ny fony ianao
Mahatonga fahavoazana, mampahita loza, mamohehatra, mampidi-doza: Tandremo fandrao mandratra anao io ady any amin' ny fitsarana io
Manimba, mahatonga fatiantoka: Nanahy ihany izy sao handratra azy ilay vahiny nampiantranoiny tao aminy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To hurt, to wound, to injure [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Blesser, meurtrir, déchirer, égratigner: Esory ireo hazo ireo, sao mandratra (Enlevez ces bois, de peur qu'ils ne blessent quelqu'un)
Gâter des fruits, déparer quelque chose
Figuré: exposer à un malheur: Tandremo fandrao mandratra anareo io ady io (Prenez garde que ce procès ne vous soit funeste) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandratra
Ny lasa : nandratra
Ny hoavy : handratra
Filaza mandidy : mandratrà
Sampanteny 

Teny iditra mandratrà (ratra)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandratra [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20