Teny iditra mandentika (lentika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manatsatoka mandevina: Mandentika tsato-kazo amin' ny tany
Manasitrika, manitrika: Mandentika hazo lava ao anaty rano
Mandrendrika: Nandentika ny sambo ny onja sy ny rivotra
Mandroboka, mampihitsoka: Ny namandratsy no nandentika azy tamin' ny fahazaran-dratsy
Mampiditra amin' ny lalina, amin' ny kizo, mampifatratra: Vao mainka nandentika ny voampanga ilay vavolombelona nantenainy hanavotra azy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Enfoncer [1.13]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandentika
Ny lasa : nandentika
Ny hoavy : handentika
Filaza mandidy : mandenteha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20