Teny iditra manampatra (ampatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mampiasa tsy am-pisalasalana sady feno fanaranam-po: Nanampatra ny herin-tsandriny tamin' ilay zaza kely tsy ampy folo taona akory izy
Manao araka izay tratra, araka izay tiana: Saingy mba efa navelan' ny dokotera hihinana ventin-kanina Rabe ka dia efa nanampatra erý
Mampiseho am-pieboeboana, mirehareha: Nanampatra ny harenany marina izy tamin' ny fanambadian' ny zanany ~ Nanamparany ny fahaizany teo izahay nandritra ny adiny roa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To stretch out the limbs. [1.2]
 To stretch out; to extend [1.7]
Fanazavàna teny frantsay étendre; allonger [1.3, 1.8]
 Déployer, montrer: Hanampatra ny hatezerany amin' ny mpanota Andriamanitra (Dieu déployra sa colère contre les pêcheurs) [1.3]
Ohatra fa ny adala kosa manampatra ny hadalany. [2.996]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manampatra, manampa-
Ny lasa : nanampatra, nanampa-
Ny hoavy : hanampatra, hanampa-
Filaza mandidy : manampara
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11