Teny iditra manaiky (aiky)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao tsy misy fandavana, manaraka ny sitrapon' ny hafa: Manaiky ny lehibeny ny miaramila
Mitovy hevitra: manoa
Mankasitraka, mankato: Manaiky ny hevitrao aho ~ Rehefa tsy miteny, hono dia manaiky, hoy ny tandrefana
Mety: Tsy manaiky ny handeha izy
Mandray: Tsy manaiky fanatitra na inona na inona izy
Manome: Manaiky izay rehetra angatahin-Janany aminy Rasoa, hany ka nanjary mihanta be ny zanany
Mitsotra, mibaboka: Tsy nanaiky ny helony ilay voampanga [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To assent to, to agree to, to grant, to consent, to confess, to own, to submit to, to surrender. The reduplicate is manaikinaiky. [1.2]
 To agree; to obey; to profess a faith to agree reluctantly or under duress [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Comme maneky [1.3]
 Consentir; obéir; confesser sa foi [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny manaiky
Ny lasa nanaiky
Ny hoavy hanaiky
Filaza mandidy maneke
Kamban-teny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Koa ianao aza manaiky hibaby ahy. [1.251]
2miezaka mafy tsy manaiky ho resy; [2.313]
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/27