Teny iditra mamiravira (viravira)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mikitakita, mikitakitaka, manao ratsy fitondra: Tsy tokony hamiravira ny kamboty mihitsy ianao
Mandrairay befahatany, mamozafoza: Tsy manandraharaha afa-tsy ny mamiravira taratasy fotsiny izy
Mandrirodrirotra, misaritsarika: Nahatsiravinany nahita ireo andian' alika namiravira ilay sakanay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To tear, to rend [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Tirailler et déchirer, maltraiter; dévorer [1.8]
Ohatra Izany indrindra ry malalako no tena mampahory ahy Mahatonga ady anaty, mamiravira ny fanahy. [2.928]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamiravira
Ny lasa : namiravira
Ny hoavy : hamiravira
Filaza mandidy : mamiravirà

Teny iditra mamiravirà (viravira)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mamiravira [fitanisana]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20