Teny iditra mamaky (vaky)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manapotika zavatra amin' ny fandonana azy amin-javatra hafa na amin' ny fanatontàna azy amin' ny tany: Iza ianareo no namaky ny siny?
Mampitresaka, manasaka: Mamaky hazo fisaka ho roa ny mpandrafitra
Manimba, mandrava, mandroba: Mamaky trano mihitsy ny jirika
Mandalo eo afovoany manomboka amin' ny laniny iray ka hatramin' ny laniny iray hafa (matetika ny teny verindroa (Mamakivaky) no ampiasaina amin' itỳ hevitra itỳ): Menatra erỳ izy namaky na namakivaky ny vahoaka maro be
Mampiseho ho fantatry ny be sy ny maro: Rakotono namaky lainga an-dRajaona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To split; to break [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fendre dans le sens de la longueur; casser [1.3, 1.8]
 Rompre
Traverser, aller, passer
Mettre en déroute [1.3]
Ohatra 
1Namaky ny any atsimo manontolo izahay (Nous avons traversé tout le sud) [1.3]
2Izahay no namaky voalohany iny làlana iny (Nous avons été les premiers à passer par ce chemin) [1.3]
3Namaky ny fefiloha ny rano (L’eau a rompu la digue) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamaky
Ny lasa : namaky
Ny hoavy : hamaky
Filaza mandidy : mamakia
Kamban-teny 
Anaran' olona 

Teny iditra mamaky (vaky)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manasaratsaraka ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra ao anatiny: Mbola tsy mahay mamaky teny ny zafikeliko fahenina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To read [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Lire [1.3, 1.8]
 Publier [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamaky
Ny lasa : namaky
Ny hoavy : hamaky
Filaza mandidy : mamakia
Kamban-teny 

Teny iditra mamaky (vaky)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny frantsay Accuser, dénoncer [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamaky
Ny lasa : namaky
Ny hoavy : hamaky
Filaza mandidy : mamakia

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/15