Teny iditra Lainga fotoana
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tantara fohy)
Mpanoratra Tselatra (Rajonah), selatra+selatra
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra - Hono, ray anjavidy an-tendrombohitra, ray vato am-pitsinjo-vana, ny masoandro ve no nihirina sa ny aloka no nihemotra, no dia nasaina avy aho ka nolaingaina, nilazam-potoana ka nofitahina? Tsy ny masoandro, hono, no nihirina, tsy ny aloka no nihemotra, fa kamo fanahy tsy hihaona izy ka nivily lalana mbamin'ny tenany!

- Lakan-jila ve iny no mihilangilana toa handrendrika, sa voara masaka omaly ka miandry tohina hiraraka? Mba lazalazao azy manadidy, fa ny fitia, hono e, tsy apetraka an-kely ambaitra, tsy atombina a-mora tohina; be ny sampona be ny tambàna, ka io izay kely nahatontosa ataovy tami-drano an-tsiny vao ka tsy amoizana ny be ao anaty fo.


Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02