Entrée kohadavareny (kohaka, lavareny)
Partie du discours nom
Explications en malgache Aretin-kohaka mety hahavoa ny zaza eo amin' ny enim-bolana ka hatramin' ny dimy taona eo, ary mora fantarina amin' ny serisery, maso mitsiranondrano sy kohaka mateza amin' ny alina; tapabolana aorian' ny famantarana voalohany, dia miseho ilay feo "lavareny" toa misioka isaky ny mikohaka, avy amin' ny fisintonan' ny fiainana amin' ny faran' ny kohaka mafy mifampitohitohy; aretina faran' izay mora mifindra ny kohadavareny, irony antsoin' ny olona hoe manara-damba [Rajemisa 1985]
Explications en anglais whooping cough [3.1]
Explications en français coqueluche [Rajemisa: Vakoka]
Vocabulaire 

Mis à jour le 2020/07/31