Teny iditra izao (io)
Sokajin-teny mpisolo anarana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Enti-manondro zavatra na olona tsy hita maso akaiky, izany hoe, ohatra, ao ambadiky ny varavarana: Ampangino izao radio midradradradra ao an' efitra ao izao, ry Ikoto a! na somary takontakona: Jereo izao itangoronan' ny olona izao, rankizy a. Ny "izao" koa anefa dia mety hanan-kevitra roa manokana hafa: 1) zavatra mitranga amin' ilay fotoana itenenana: Mahafinaritra ahy izao fahatongavanareo maro be mitsidika ahy izao. 2) hevitra na teny vao holazaina: Tsarovy tsara izao teny izao: Asio fieritreretana ny atao rehetra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy This [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Celui-ci [1.8]
Ohatra 
1tahaka izao no fanao. [2.245]
2Ady izao rehetra izao. [2.5]
Kamban-teny 
Tsanganana sy sary iray takila ny mpisolo rehetra

Teny iditra izao
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy Now [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Maintenant [1.8]
Ohatra 
1Bedao amin' izao! [2.587]
2Ka maninona aho izao? [2.5]
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11