Teny iditra indreny (indry)
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Enti-manondro olona na zavatra maro hita lavitra eny: Indreny lasa ny miaramila hanao sarinady [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Behold! There! Lo! Here they are. A plural form. [1.2]
 There they are! [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Les voilà, ceux-là [1.3]
Ohatra 
1Indreny ny tsiriry mamonjy toerana mangina tao Anosy. [2.499]
2Dia indreny ireto mpianaka va niditra ny ala matevina. [2.895]
3Indreny ny foza maromaro, manatona ny fafy, mihoriram-pamindra. [2.356]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/22