Teny iditra hetra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana
(ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Taxes [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Impôt, taxe [1.8, 1.5]
 Redevance [1.5]
Ohatra 
1Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra. [4.27]
2Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy. [2.508]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : hetra, he-, hetran-, hetran'
Tovonana : -ketra, -ke-, -ketran-, -ketran'
Kamban-teny 
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra hetra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anarana hafa ilazana ny fehikibo. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Ceinture [1.5]
Sampanteny 
Tovy hevitra fehikibo ~ fehinkibo

Teny iditra hetra
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Depuis que. § hàtra. [1.19]
Tovy hevitra faitra

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/22