Teny iditra handry > mandry (andry)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mitsotra na mivalampatra eo ambony tany na kidoro ka mitehika amin' izany ny vatana manontolo: Mahafinaritra ny mandry eto ambonin' itý kidoro malemilemy itý
Matory: Amin' ny folo izahay no manomboka mandry ~ Tapi-mandry olona ~ Tamin' ny izahay nankany Mojanga dia tao Maevatanana no nandry
Milamina tsy misy mpanelingelina, tony sy finaritra: Mandry izao ny saiko fa tonga soa aman-tsara ianareo
Ilazana ny ranon-javatra tonga mivongana na mafy: Mora mandry ny ronono. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To lie down, to be lying down, to go to sleep; to be at peace, as the kingdom; to become thick, congealed, etc. [1.2]
 To lie down; to congeal to freeze; to turn sour (of milk) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être couché, se coucher; être figé, caillé [1.8]
Ohatra 
1Maty, hataoko tsy mandry am-pasandrazany. [2.528]
2Io mirahavavy, izay hodianay mivady mandry; [2.69]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandry
Ny lasa : nandry
Ny hoavy : handry
Filaza mandidy : mandria
Kamban-teny 
Anaram-poko 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra handry > an-dry (any, ry)
Sokajin-teny endritenin' ny hoe any sy ry
Ohatra 
1himpody aho, menatra an-dry raiko. [2.69]
2Ampy ahy izay nanampiako an-dry zareo izay. [2.4]
3Sao miandry an-dry Ndremba izay naniraka azy! [2.643]

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza fitsorana, fivalamparana eo ambony tany, kidoro; fatoriana amin' ny alina, filamina tsisy tebiteby. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy [Mal. diyan, mandiyan.] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay La position horizontale, l'état de ce qui est étendu, couché
La paix, la tranquillité
L'état de ce qui est figé, gelé, caillé [1.3]
Sampanteny 
 

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tohana mijoro vita amin' ny biriky, hazo na vato: Nisy andry telo nifanandrify tao amin' ny tranon' ny Ntaolo. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A pillar, a post [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Pilier
(fig) soutien [1.3, 1.8]
 Colonne [1.3]
Kamban-teny 
Anaram-poko 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Antenaina ho avy ka mijanona eo ihany ny tena ambara-pahatongany: Sakafo tsy andrin' ny maika ny anareo izany, ry Ketaka, ka handeha aho [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Waiting, guarding [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Attendu, qu'on peut attendre [1.3]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiambenana, fitandremana: Tsara andry ny ombintsika fa olona mahatoky izy
Fitiliana: Ataovy andry maso io zazalahy io fa efa tratra naka zavatr'olona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Watch [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Garde, surveillance, veille [1.3]
Kamban-teny 

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Betsimisaraka] Sandry [1.78]

Teny iditra handry > Andry
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Anaran' olona 

Fivaditsoratra