Entrée | Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy | |
Partie du discours | nom propre (titre de livre ou pièce) | |
Définition malgache | Fitadidy momba ny "Firaketana" 1937-1963.
Tamin' ny volana Zanvie 1937 no niseho ny antakelaka voalohany amin' ny boky "Firaketana". Ireo mpiadidy ny gazetim-boky "Fiainana" -- izay mbola mitohy miseho hatramin' izao ary nivoaka voalohany kosa tamin' ny taona 1928 -- ireo no nifarimbona, nampian' ny namana maro eran' ny Nosy ary araka ny hevitrasy toro-lalana nitarihan' Itompokolahy Ravelojaona azy; antakelaka niseho isam-bolana no niandohan' ny Firaketana ary dia mbola izany no endrika tanany hatramin' izao. Ireto no anaran' ireo mpiadidy ny fanoratana tary am-piandohana tary (ny efa nodimandry dia tsarovana amim-panajana sy fankasitrahana) : H. Rabeony, J. Ratsima, H. Randzavola, Ravelojaona, J. Ramambasoa, F. Ratrema, G. Andriamanantena, F. Rajaobelina, Joseph Rakotovao (mpitandrina), Rabevazaha, F. Gabriel Rajonah, Rahajason (mpampianatra). Ny tena tonian' ny fanoratana hatrany am-boalohany dia Itompokolahy Ravelojaona (1937-1956) sy Andriamatoa F. Gabriel Rajonah (1937 ka mbola mitohy hatramin' izao). [Ravelojaona 1937] | |
Traduction française | vaste dictionnaire encyclopédique des mots et des choses malgaches, qui commence à paraître sous sa [Ravelojaona] direction en 1937 [Rajemisa 1966] | |
Auteur | Ravelojaona; Rajonah Gabriel; Randzavola Henri | |
Editions | 1937. Imprimerie Industrielle. Largeur: 15cm. Hauteur: 23cm. Pages: 4256. Tomes: 3. | |
Vocabulaire | Littérature: livres | |
Description | Boky 1: tarehin-tsoratra A-B (takila 1506).
Boky 2: tarehin-tsoratra C-H (takila 1314). Boky 3: tarehin-tsoratra I-M (takila 1436). | |
Tableaux et planches | Tous les titres | |
Mis à jour le 2020/12/30 |
![]() |