Teny iditra fihinina (fihina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tazonina mafy amin' ny tanana tokana atao mikainkona tsara: Nofihininy tsara ao anaty tanana ilay vola nomeko azy
Tazonina mafy amin' ny tanana roa ampifandraisina tsara mba tsy hahafahan' ilay tazonina mikofoka: Raha vao tonga ny zanany dia nofihinin-dreniny tao an-tratrany
Mitovy hevitra: giazana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be grasped, to be pressed, to be squeezed. [1.2]
 To be grasped, to be held tight [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on tient, qu'on retient [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : fihinina, fihiniko, fihininao, fihininy, fihinintsika, fihininay, fihininareo, fihinin', fihinin-, fihinim-, fihini-
Ny lasa : nofihinina, nofihiniko, nofihininao, nofihininy, nofihinintsika, nofihininay, nofihininareo, nofihinin', nofihinin-, nofihinim-, nofihini-
Ny hoavy : hofihinina, hofihiniko, hofihininao, hofihininy, hofihinintsika, hofihininay, hofihininareo, hofihinin', hofihinin-, hofihinim-, hofihini-
Filaza mandidy : fihino
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20