Teny iditra fiainana (aina)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fakana aina, fakana fofon' aina: Miadana erỳ ny fiainan' itỳ marary itỳ izany
Fe-potoana eo anelanelan' ny ahaterahana sy ny ahafatesana: Nanao ny tsara mandrakariva io olona io nandritra ny fiainany
Fifaliana na fanaranana amin' ny hanina sy ny fisotro: Manao fiainana marina ry zareo ato avaratra fa mamono akoho mifahy isan' andro
Fitondran-tena: Aoka hanana toe-piainana madio sy tsara mandrakariva ianareo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Life; the act of breathing [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Vie: Lava fiainana izy (Il vit longtemps) ~ Ny fiainana mandra-kizay (La vie éternelle)
Respiration, canal respiratoire, soupirail [1.3]
 La vie; action de respirer [1.8]
Ohatra 
1Kanjo inona no navoakanao, ry fiainana? [2.296]
2Tsy izao anaovan' ialahy fiainana izao? [2.470]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : fiainana, fiainako, fiainanao, fiainany, fiainantsika, fiainanay, fiainanareo, fiainan', fiainan-, fiainam-, fiaina-
Tovonana : -piainana, -piainako, -piainanao, -piainany, -piainantsika, -piainanay, -piainanareo, -piainan', -piainan-, -piainam-, -piaina-
Kamban-teny 
Lohateny Fiainana (Andriamampianina Zo)
Raki-piainana
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra Fiainana
Singan-teny fiainana
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky)
Mpanoratra Andriamampianina Zo
Fanonta printy Takila: 6.
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/14