Teny iditra ferana (fetra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asiana fetra: Noferon' ny fanjakana ny vidin' ny vary
Soritana, faritana: Noterana ny sisin-tanin' ny firenena roa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be limited [1.2, 1.7]
 To be restrained, to be fixed, as a time. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on limite [1.8]
Ohatra 
1ny fisamboram-bola izay ferana araka ny lalàna ny fepetra momba izany. [1.320]
2Ny tapany faharoa dia milaza fa ferana ny fotoana hahazoan' ny vahiny mijanona eto Madagasikara. [2.508]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ferana, ferako, feranao, ferany, ferantsika, feranay, feranareo, feran', feran-, feram-, fera-
Ny lasa : noferana, noferako, noferanao, noferany, noferantsika, noferanay, noferanareo, noferan', noferan-, noferam-, nofera-
Ny hoavy : hoferana, hoferako, hoferanao, hoferany, hoferantsika, hoferanay, hoferanareo, hoferan', hoferan-, hoferam-, hofera-
Filaza mandidy : fero
Kamban-teny 

Teny iditra feraña
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Taimoro] zanatsipika, zanatsirika [1.78]

Teny iditra ferana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay Sorte de jonc utilisé pour fixer le chaume lorsqu'on fait des toitures [1.196]

Teny iditra ferana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  [Betsileo] A plant used as a blow-tube for shooting birds. Same as tsontsoraka and tsirika. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  Neophloga linearis Becc. Son tronc mince mais bien droit sert à faire des sarbacanes. [1.196]
Anarana siantifika Neophloga linearis
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/09