Teny iditra Fasana faharoa
Singan-teny fasana ; faharoa
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsoratra 
Ilay fasako, fasako ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
io no fasako iray, faharoa!

Tsy mba vero na mba rangolahy
no manafina an'io fasana io -
fa ny nofoko zary manahy
no mandrakotra omaly sy anio.

Sentosentoko mamelovelo,
ranomaso, toloko tsy tana -
izy ireny no sarin'avelo,
mitampody ka sarotra ialana!

Ao ny nofy novolavolaina,
izay nisinda nalaky, tsy hita!
Ao no rendrika ilay nantenaina,
ilay sambo nataoko ho tafita!
Ao ny tsantan' ny andro taloha
sy ny hiran'ny fahazazako
no milevina ka tsy mifoha,
na miverina mba hitondra ako!

Ao ny zava-drehetra voakasa,
saingy simba, ka very tadidy!
Ao ny taolan'ny androko lasa,
sy ny ora tsy masi-mandidy!

Ao ny nofo nikipaka mora
ao ny maty daholo daholo!
Ao malazo na mbola tanora,
ka mianjera tsy mana-mpisolo!

Ilay fasako, fasana ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany.
io no fasako iray faharoa.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/21