Teny iditra deoterokanonika
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Ny boky deoterokanonika na deoterôkanônika dia boky filamatry ny finoana (na kanonika) hita ao amin'ny Baiboly sasany (indrindra ny an'ny Katolika sy ny an'ny Ortodoksa) nefa tsy isan'ny boky filamatry ny finoana ao amin'ny Baiboly hafa (indrindra ny an'ny Protestanta). Amin'ny Katolika sy ny Ortodoksa, ny boky deoterokanonika dia mitovy lanja amin'ireo atao hoe boky protokanonika izay samy filamatry ny finoana mitovy aminy. Ny Testamenta Taloha no tena fantatra fa misy boky deoterokanonika. Tsy hita ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) izy ireo. Ny Kanona katolika sy ortodoksa dia fitambaran'ny boky protokanonika sy ny boky deoterokanonika. Samy manana ny lisitry ny boky izay ataony hoe deoterokanonika ny Fiangonana katolika sy ny ireo Fiangonana ortodoksa ary ny Fiangonana anglikana. [5.mg.https://mg.wikipedia.org/wiki/Boky_deoterokanonika]
 Ny boky deoterokanonika dia ireto: Tobia, Jodita, 1 Makabeo, 2 Makabeo, Fahendrena, Eklesiastika, Baroka. [3.1]
Voambolana 
Tovy hevitra apokrifa
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2021/08/21