Teny iditra bitika
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Kely sady madinika, sombiny kely: Tsy ho azonao entina any lavitra any io zaza io fa mbola bitika / Bitika kely ny vary nohanin' ny marary anikeheo.
Kely sy bitika: enti-milaza am-panetren-tena ny toetran' ny tena ambany sy mahantra: Misaotra, tompokolahy minisitra, mamangy anay kely sy bitika atỳ anaty ala atỳ
(Marihina fa milaza mbola kely kokoa noho ny bitika ireo rehetra avy amin' ny bitika nasiana tsofoka: bilitika, biritika...) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Diminutive, extremely small, a jot, a morsel, an atom. [1.2]
 Diminutive, tiny; cf. kitika [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Très petit [1.3, 1.8]
 Une quantité infime, chétif [1.3]
Ohatra 
1Lay ony kanefa he'ty fiandohany / Mba kely ny bitika saro-jahana. [1.267]
2Natao mafana tsara ilay bitika an-tanana noho ny toetr' andro miovaova. [2.470]
3Ka inona anefa no mety ho vitanay kely sy bitika ity amin' izany? [2.285]
Haiendriteny 
Tsotra : bitika
Filaza mandidy : bitiha
Sampanteny 
Tovy hevitra bititika
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31