Teny iditra birao (bira)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana biraina [fitanisana]

Teny iditra birao
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Latabatra fanoratana [1.62]
Ohatra Indray andro, efa nadiva hifarana ny taom-pianarana, nampiantsoin' ny badirinay tany amin' ny biraony aho. [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : birao, biraoko, biraonao, biraony, biraontsika, biraonay, biraonareo, biraon', biraon-, biraom-
Ny fihaviany Frantsay: bureau.

Teny iditra birao
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Efitra na trano fiasana na fandraharahana [1.62]
Kamban-teny 
Ny fihaviany Frantsay: bureau.

Teny iditra birao
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Rantsana miandraikitr ny fitantanana. Eo anivon' ny Antenimiera ohatra, ahitana ny filoha, ny filoha lefitra, ny mpiraki-tsoratra ary ireo olona misahana ny fandraharahana anatiny izy io. Ho an' ny fikambanana tsotra kosa dia ahitana ny filoha, ny mpiraki-tsoratra ary ny mpitahiry vola. [1.62]
Ny fihaviany Frantsay: bureau.

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31