Teny iditra avana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Betsimisaraka] antsibenandriamanitra [1.78]
 Zava-miseho indraindray eny amin' ny habakabaka, rehefa misy orana, izay miendrika andohalambo makadiry mipaka amin' ny lanin' ny vodilanitra roa, ary misy loko fito fototry ny loko rehetra: mena, volondaoranjy, vony, maitso, manga, angana ary volomparasy; rehefa misy avana miseho dia fambara fa efa hitsahatra ny orana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The rainbow [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Arc-en-ciel [1.3, 1.8]
 Nimbe, lumière, éclat, splendeur [1.3]
Ohatra 
1jereo ange iry avana! [2.324]
2Rehefa vita ny famonoana dia latsaka ny erika, ary nisy avana [2.649]
3manana ny lokon'ny avana, na antsibenandriamanitra, tsara tarehy aoka izany. [2.314]
Voambolana 
Sampanteny 
 
Tovy hevitra antsibenandriamanitra
Kamban-teny 
Lohateny Ny Avana Ramanantoanina (Rajoelisolo Charles)
Ny diam-penin' ny Avana Ramanantoanina (Rakotonaivo François)
Lahatsoratra 

Teny iditra avana (ava)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny voly izay karakaraina ka ongotana ny ahidratsy maniry eo aminy: Efa tokony havana ity tanimbary itỳ fa be loatra ireo ahidratsy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be weeded [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on sarcle [1.3, 1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : avana, avako, avanao, avany, avantsika, avanay, avanareo, avan', avan-, avam-, ava-
Ny lasa : navana, navako, navanao, navany, navantsika, navanay, navanareo, navan', navan-, navam-, nava-
Ny hoavy : havana, havako, havanao, havany, havantsika, havanay, havanareo, havan', havan-, havam-, hava-
Filaza mandidy : avao
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/23