Teny iditra kosa
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Teny kely entina: 1) Manavaka: Ny androngo mandeha tongotra efatra, ny bibilava kosa mikisaka. 2) Milaza hoe: "etsy an-daniny": Ny ato mpianatra sary, ny atsy kosa mpianatra mozika. 3) Mampifanohitra zavatra na asa roa: Ny fahavalo mitady hanimba anao, fa ny sakaiza kosa mitady hanasoa (tsy fiteny ny hoe: fa kosa ny sakaiza...) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy On the other hand; in turn [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Et d'autre part, au contraire [1.8]
Ohatra 
1Inona kosa no renay? [2.270]
2Izaho kosa manakobana. [2.117]
3Diso kosa izany, Rasaha. [1.335]

Teny iditra Kosa
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy Cush [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Kush [2.996]
Ohatra Hira firehetan' i Davida nohirainy tamin' ny Tompo, noho ny tenin'i Kosa Benjaminita [2.996]
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/05/02