<-
->

1Sm / 1Sam 18:1 And it came to pass, when he had made an end of speaking unto Saul, that the soul of Jonathan was knit with the soul of David, and Jonathan loved him as his own soul. Ary rehefa nitsahatra niteny tamin' i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin' i Davida ny fanahin' i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy. Nony tapitra niteny tamin' i Saola Davida, dia raiki-pitia tamin' ny fanahin' i Davida ny fanahin' i Jonatasy, ka tia azy toy ny ainy Jonatasy. Lorsqu' il eut fini de parler à Saül, l'âme de Jonathan s' attacha à l'âme de David et Jonathan se mit à l' aimer comme lui-même.
1Sm / 1Sam 18:2 And Saul took him that day, and would let him go no more home to his father' s house. Ary Saoly nandray azy tamin' izany andro izany ka tsy namela azy hody tany amin' ny tranon-drainy intsony. Androtr' izay ihany, dia noraisin' i Saola Davida ka tsy navelany hody any an-tranon-drainy. Saül le retint ce jour même et ne lui permit pas de retourner chez son père.
1Sm / 1Sam 18:3 Then Jonathan and David made a covenant, because he loved him as his own soul. Ary Davida sy Jonatana nanao fanekena noho ny fitiavan' i Jonatana azy toy ny tenany. Ary Jonatasy nanao fanekem-pihavanana tamin' i Davida, fa tia azy toy ny ainy izy. Jonathan conclut un pacte avec David, car il l' aimait comme lui-même :
1Sm / 1Sam 18:4 And Jonathan stripped himself of the robe that was upon him, and gave it to David, and his garments, even to his sword, and to his bow, and to his girdle. Ary nesorin' i Jonatana ny akanjony ivelany izay teny aminy ka nomeny an' i Davida mbamin' ny akanjo fiadiany sy ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehin-kibony koa aza. Ka notsoahan' i Jonatasy nomena an' i Davida ny kapaoty nentiny, toy izany koa ny akanjo fiadiany, mbamin' ny sabany, hatramin' ny tsipìkany sy hatramin' ny fehin-kibony. Jonathan se dépouilla du manteau qu' il avait sur lui et il le donna à David, ainsi que sa tenue, jusqu'à son épée, son arc et son ceinturon.
1Sm / 1Sam 18:5 And David went out whithersoever Saul sent him, and behaved himself wisely: and Saul set him over the men of war, and he was accepted in the sight of all the people, and also in the sight of Saul' s servants. Ary Davida nanafika ka hita fa hendry tamin' izay rehetra nanirahan' i Saoly azy; ka dia nataon' i Saoly mpifehy ny miaramila izy sady nankasitrahan' ny vahoaka rehetra sy ny mpanompon' i Saoly koa. Raha nivoaka Davida na aiza na aiza no nanirahan' i Saola azy dia nahomby izy; nataon' i Saola filohan' ny lehilahy mpiady izy, ary nankasitrahan' ny vahoaka rehetra hatramin' ny mpanompon' ny mpanjaka aza. Dans ses sorties, partout où l' envoyait Saül, David remportait des succès et Saül le mit à la tête des hommes de guerre; il était bien vu de tout le peuple, et même des officiers de Saül.
1Sm / 1Sam 18:6 And it came to pass as they came, when David was returned from the slaughter of the Philistine, that the women came out of all cities of Israel, singing and dancing, to meet king Saul, with tabrets, with joy, and with instruments of musick. Ary nony tonga ny olona tamin' ny niverenan' i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka ny vehivavy avy tamin' ny tanànan' ny Isiraely rehetra ka nihira sy nandihy nitsena an' i Saoly mpanjaka tamin' ny ampongatapaka sy ny fifaliana ary ny kipantsona. Nony niditra izy ireo, tamin' ny niverenan' i Davida avy namono ilay Filistina, dia nivoaka avy tamin' ny tanànan' Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan' i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin' ny feon' ny ampongatapaka sy ny valiha. A leur retour, quand David revint d' avoir tué le Philistin, les femmes sortirent de toutes les villes d' Israël au-devant du roi Saül pour chanter en dansant, au son des tambourins, des cris d' allégresse et des sistres.
1Sm / 1Sam 18:7 And the women answered one another as they played, and said, Saul hath slain his thousands, and David his ten thousands. Ary ny vehivavy mpandihy dia nihira hoe: Saoly nahafaty arivoarivo; Fa Davida nahafaty alinalina. Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe: Arivoarivo no matin' i Saola, Fa alinalina kosa, ny an' i Davida. Les femmes qui dansaient chantaient ceci : " Saül a tué ses milliers, et David ses myriades. "
1Sm / 1Sam 18:8 And Saul was very wroth, and the saying displeased him; and he said, They have ascribed unto David ten thousands, and to me they have ascribed but thousands: and what can he have more but the kingdom? Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an' i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony. Tezitra mafy Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an' i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony. Saül fut très irrité et cette affaire lui déplut. Il dit : " On a donné les myriades à David et à moi les milliers, il ne lui manque plus que la royauté! "
1Sm / 1Sam 18:9 And Saul eyed David from that day and forward. Ary Saoly hatramin' izany andro izany dia nangarika an' i Davida. Hatramin' izay andro izay dia ratsy fijery an' i Davida Saola. Et, à partir de ce jour, Saül regarda David d' un oeil jaloux.
1Sm / 1Sam 18:10 And it came to pass on the morrow, that the evil spirit from God came upon Saul, and he prophesied in the midst of the house: and David played with his hand, as at other times: and there was a javelin in Saul' s hand. Ary nony ampitson' iny dia nisy fanahy ratsy avy tany amin' Andriamanitra nilatsaka tamin' i Saoly, ka dia maola tao an-trano izy; ary Davida nitendry lokanga tamin' ny tànany tahaka ny fanaony isan' andro ihany, ary nisy lefona teny an-tànan' i Saoly. Ny ampitson' izay dia nisy fanahy ratsy avy tamin' Andriamanitra nilatsaka tamin' i Saola, ka nihoalahoala teo afovoan ' ny tranony izy. Dia nitendry harpa, araka ny fanaony amin' ny andro hafa Davida, ary teo an-tànan' i Saola ny lefony. Le lendemain, un mauvais esprit de Dieu assaillit Saül qui entra en délire au milieu de la maison. David jouait de la cithare comme les autres jours et Saül avait sa lance à la main.
1Sm / 1Sam 18:11 And Saul cast the javelin; for he said, I will smite David even to the wall with it. And David avoided out of his presence twice. Dia natorak' i Saoly ny lefona; fa hoy izy: Hamely an' i Davida aho, ka hataoko miboroaka mihatra amin' ny rindrina. Fa Davida nisoroka indroa teo anatrehany. Nampandihizin' i Saola ny lefony; sady nataony hoe: Hataoko indray migorobaka Davida sy ny rindrina. Kanjo indroa Davida no nihodivitra teo anoloany. Saül brandit sa lance et dit : " Je vais clouer David au mur! ", mais David l'évita par deux fois.
1Sm / 1Sam 18:12 And Saul was afraid of David, because the Lord was with him, and was departed from Saul. Ary Saoly natahotra an' i Davida, satria Jehovah nomba azy, fa Saoly kosa efa nialany. Dia natahotra an' i Davida Saola, satria nomba azy Iaveh, fa Saola kosa nialany; Saül eut peur de David car Yahvé était avec celui-ci et s'était détourné de Saül.
1Sm / 1Sam 18:13 Therefore Saul removed him from him, and made him his captain over a thousand; and he went out and came in before the people. Koa dia nesorin' i Saoly tsy ho eo aminy Davida, ary nataony mpifehy arivo, dia nitarika ny olona nivoaka sy niditra izy. ka nataon' i Saola lavitra azy izy, ary natsangany ho mpifehy arivo lahy. Ary nivoaka sy niditra teo anatrehan' ny vahoaka izy. Alors Saül l'écarta d' auprès de lui et l' institua chef de mille : il sortait et rentrait à la tête du peuple.
1Sm / 1Sam 18:14 And David behaved himself wisely in all his ways; and the Lord was with him. Ary Davida dia hita fa hendry tamin' izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy. Nampiseho fahakingana tamin' izay rehetra nataony Davida ary nomba azy Iaveh. Dans toutes ses expéditions, David réussissait et Yahvé était avec lui.
1Sm / 1Sam 18:15 Wherefore when Saul saw that he behaved himself very wisely, he was afraid of him. Ary nony hitan' i Saoly fa hendry dia hendry Davida, dia natahotra azy izy. Natahotra azy Saola nahita ity izy hendry dia hendry; Voyant qu' il réussissait très bien, Saül le craignait,
1Sm / 1Sam 18:16 But all Israel and Judah loved David, because he went out and came in before them. Fa ny Isiraely sy ny Joda rehetra kosa tia an' i Davida, satria nitondra azy nivoaka sy niditra izy. fa Israely sy Jodà rehetra kosa tia an' i Davida, noho izy nivoaka sy niditra teo anoloan' izy ireo. mais tous en Israël et en Juda aimaient David, car il sortait et rentrait à leur tête.
1Sm / 1Sam 18:17 And Saul said to David, Behold my elder daughter Merab, her will I give thee to wife: only be thou valiant for me, and fight the Lord' s battles. For Saul said, Let not mine hand be upon him, but let the hand of the Philistines be upon him. Ary hoy Saoly tamin' i Davida: Indro homeko ho vadinao Meraba vavimatoako, koa mahereza ho ahy anefa ianao, ary miadia ny adin' i Jehovah. (Fa hoy Saoly: Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa aoka ny tanan' ny Filistina no hamely azy.) Ary hoy Saola tamin' i Davida: Indro homeko ho vadinao Meroba, zanako vavimatoa. Misehoa ho mahery fo anefa hianao, ary tohàny ny adin' ny Tompo. Fa Saola nanao anakampo hoe: Aza ny tànako no mamely azy, fa aoka ny tànan' ny Filistina no hamely azy. Saül dit à David : " Voici ma fille aînée Mérab, je vais te la donner pour femme; sers-moi seulement en brave et combats les guerres de Yahvé. " Saül s'était dit : " Qu' il ne tombe pas sous ma main, mais sous celle des Philistins! "
1Sm / 1Sam 18:18 And David said unto Saul, Who am I? and what is my life, or my father' s family in Israel, that I should be son in law to the king? Fa hoy Davida tamin' i Saoly: Zinona moa aho, ary manao ahoana no toetry ny mpianakavin' ny raiko ao amin' ny Isiraely, no ho vinanton' ny mpanjaka aho? Dia namaly an' i Saola Davida nanao hoe: Zinona moa aho, zinona ny aiko, ary zinona ny fianakavian' ikaky eo amin' Israely, no dia ho vinanton' ny mpanjaka aho? David répondit à Saül : " Qui suis-je et quel est mon lignage, la famille de mon père, en Israël, pour que je devienne le gendre du roi ? "
1Sm / 1Sam 18:19 But it came to pass at the time when Merab Saul' s daughter should have been given to David, that she was given unto Adriel the Meholathite to wife. Kanjo nony tamin' ny andro tokony ho namoahana an' i Meraba, zanakavavin' i Saoly, ho vadin' i Davida, dia nomena ho vadin' i Adriela Meholatita izy. Kanjo nony tonga ny fotoana tokony hanomezana an' i Meroba zanakavavin' i Saola, ho vadin' i Davida, dia nomena ho vadin' i Hadriela, any Molati, indray kosa izy. Mais, lorsque vint le moment de donner à David la fille de Saül, Mérab, on la donna à Adriel de Mehola.
1Sm / 1Sam 18:20 And Michal Saul' s daughter loved David: and they told Saul, and the thing pleased him. Fa Mikala, zanakavavin' i Saoly kosa tia an' i Davida; ary nisy nanambara izany tamin' i Saoly, ka sitrak' i Saoly izany. Ary Mikola zanakavanin' i Saola tia an' i Davida; dia nampandrenesina an' i Saola izany, ka nankasitrahany. Or Mikal, la fille de Saül, s'éprit de David et on l' annonça à Saül, qui trouva cela bien.
1Sm / 1Sam 18:21 And Saul said, I will give him her, that she may be a snare to him, and that the hand of the Philistines may be against him. Wherefore Saul said to David, Thou shalt this day be my son in law in the one of the twain. (Fa hoy Saoly: Homeko azy izy, mba ho fandrika aminy ka hamelezan' ny tanan' ny Filistina azy.) Dia hoy Saoly tamin' i Davida: Fanindroan' ny maha-vinantoko anao izao. Hoy Saola anakampo: Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ka hamelezan' ny tànan' ny Filistina azy. Dia hoy Saola tamin' i Davida fanindroany: Ho tonga vinantoko hianao anio. Il se dit : " Je la lui donnerai, mais elle sera un piège pour lui et la main des Philistins sera sur lui. " Saül dit deux fois à David : " Tu seras aujourd' hui mon gendre. "
1Sm / 1Sam 18:22 And Saul commanded his servants, saying, Commune with David secretly, and say, Behold, the king hath delight in thee, and all his servants love thee: now therefore be the king' s son in law. Ary Saoly nandidy ny mpanompony hoe: Miresaha mangingina amin' i Davida, ka ataovy hoe: Indro, tian' ny mpanjaka ianao, ary ny mpanompony rehetra tia anao; ka dia maneke ihany ho vinanton' ny mpanjaka ianao. Ary nomen' i Saola didy ny mpanompony, nataony hoe: Miresaha mangingina amin' i Davida ataovy hoe: Raiki-pitia anao ny mpanjaka, ary tia anao koa ny mpanompony rehetra, ka aoka ho vinanton' ny mpanjaka hianao amin' izao. Alors Saül donna cet ordre à ses serviteurs : " Parlez en secret à David et dites : "Tu plais au roi et tous ses serviteurs t' aiment, deviens donc le gendre du roi. " "
1Sm / 1Sam 18:23 And Saul' s servants spake those words in the ears of David. And David said, Seemeth it to you a light thing to be a king' s son in law, seeing that I am a poor man, and lightly esteemed? Ary ny mpanompon' i Saoly nilaza izany teny izany tamin' i Davida. Fa hoy Davida: Moa ataonareo ho zavatra kely izany ho vinanton' ny mpanjaka? Tsy hitanareo va fa izaho dia olona malahelo sady tsy manan-daza? Dia nolazain' ny mpanompon' i Saola tamin' i Davida mba ho ren' ny sofiny izany teny izany; ka hoy ny navalin' i Davida: Fa ataonareo ho zavatra kely ve izany ho vinanton' ny mpanjaka e? Izaho dia olo-mahantra sy iva razana. Les serviteurs de Saül répétèrent ces paroles aux oreilles de David, mais David répliqua : " Est-ce une petite chose à vos yeux de devenir le gendre du roi ? Moi, je ne suis qu' un homme pauvre et de basse condition. "
1Sm / 1Sam 18:24 And the servants of Saul told him, saying, On this manner spake David. Ary ny mpanompon' i Saoly nilaza taminy hoe: Izany no navalin' i Davida. Notaterin' ny mpanompon' i Saola taminy izany, nataony hoe: izany no teny nataon' i Davida. Les serviteurs de Saül en référèrent à celui-ci : " Voilà les paroles que David a dites. "
1Sm / 1Sam 18:25 And Saul said, Thus shall ye say to David, The king desireth not any dowry, but an hundred foreskins of the Philistines, to be avenged of the king' s enemies. But Saul thought to make David fall by the hand of the Philistines. Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin' i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan' ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr' i Saoly hahafaty an' i Davida amin' ny tanan' ny Filistina izany. Dia hoy Saola: Izao no holazainareo amin' i Davida: Tsy mila zavatra akory ho vody ondry ny mpanjaka, fa hodi-tsy miforan' ny Filistina zato lahy, mba ho voavaly faty ny fahavalon' ny mpanjaka. Ny hisamboran' ny tànan' ny Filistina an' i Davida no nampoizin' i Saola tamin' izany. Saül répondit : " Vous direz ceci à David : "Le roi ne désire pas un paiement, mais cent prépuces de Philistins, pour tirer vengeance des ennemis du roi. " " Saül comptait faire tomber David aux mains des Philistins.
1Sm / 1Sam 18:26 And when his servants told David these words, it pleased David well to be the king' s son in law: and the days were not expired. Ary rehefa nambaran' ny mpanompon' i Saoly tamin' i Davida izany teny izany, dia sitrak' i Davida ny ho vinanton' ny mpanjaka. Ary raha tsy mbola tapitra ny fetr' andro, Dia nolazain' ny mpanompon' i Saola tamin' i Davida izany teny izany, ka nankasitrahan' i Davida izany hoe ho tonga vinanton' ny mpanjaka izy. Les serviteurs de Saül rapportèrent ces paroles à David et celui-ci trouva que l' affaire était bonne, pour devenir le gendre du roi. Le temps n'était pas écoulé
1Sm / 1Sam 18:27 Wherefore David arose and went, he and his men, and slew of the Philistines two hundred men; and David brought their foreskins, and they gave them in full tale to the king, that he might be the king' s son in law. And Saul gave him Michal his daughter to wife. dia niainga Davida, ary nandeha izy sy ny olony ka nahafaty Filistina roan-jato, lahy ary Davida nitondra ny mariky ny fahafatesany ka nanisa azy teo anatrehan' ny mpanjaka mba hahavinanton' ny mpanjaka azy. Dia nomen' i Saoly ho vadin' i Davida Mikala zananivavy. Ary tsy mbola tapitra akory ny fetr' andro dia nitsangana Davida ary niainga izy sy ny olony, namono roan-jato lahy tamin' ny Filistina sy nitondra ny hodi-tsy miforan' izy ireo Davida; ary nomeny ny mpanjaka araka ny isany marina mba hahatonga azy ho vinantony. Ka dia nomen' i Saola ho vadiny Mikola zanany vavy. que David se mit en campagne et partit avec ses hommes. Il tua aux Philistins deux cents hommes, il rapporta leurs prépuces et les compta au roi, pour devenir son gendre. Alors Saül lui donna pour femme sa fille Mikal.
1Sm / 1Sam 18:28 And Saul saw and knew that the Lord was with David, and that Michal Saul' s daughter loved him. Ary Saoly nahita sy nahalala fa Jehovah nomba an' i Davida; ary Mikala zananivavy tia azy. Hitan' i Saola sy fantany tsara, fa omban' ny Tompo Davida, ary Mikola zanakavavin' i Saola dia tia an' i Davida. Saül dut reconnaître que Yahvé était avec David et que toute la maison d' Israël l' aimait.
1Sm / 1Sam 18:29 And Saul was yet the more afraid of David; and Saul became David' s enemy continually. Ary dia vao mainka natahotra an' i Davida Saoly; ka dia tonga fahavalon' i Davida mandrakariva izy. Ka nitombo ny fahatahoran' i Saola an' i Davida ary nitsangan-ko fahavalon' i Davida Saola isan' andro isan' andro. Alors Saül eut encore plus peur de David et il conçut contre lui une hostilité de tous les jours.
1Sm / 1Sam 18:30 Then the princes of the Philistines went forth: and it came to pass, after they went forth, that David behaved himself more wisely than all the servants of Saul; so that his name was much set by. Ary ireo andrianan' ny Filistina dia nanafika; ary isaky ny nanafika izy, dia Davida no hita fa hendry noho ny mpanompon' i Saoly rehetra, ka dia nisandratra ny anarany. Tonga nanafika ireo andrianan' ny Filistina ary isaky ny nivoaka ireny, dia nahomby nandresy azy Davida noho ny fahakingany mihoatra noho ny mpanompon' i Saola rehetra, ka tonga malaza indrindra ny anarany. Les princes des Philistins firent campagne, mais chaque fois qu' ils faisaient campagne, David remportait plus de succès que tous les officiers de Saül, et il acquit un très grand renom.

<-
->