<-
->

1Kr / 1Kor 16:1 Now concerning the collection for the saints, as I have given order to the churches of Galatia, even so do ye. Ary ny amin' ny famoriam-bola ho an' ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon' ny fiangonana any Galatia. Ary ny amin' ny famoriam-bola ho an' ny olona masina, dia mba manaova koa hianareo, toy ny nasaiko nataon' ny Eglizy rehetra any Galatia. Quant à la collecte en faveur des saints, suivez, vous aussi, les instructions que j' ai données aux Églises de la Galatie.
1Kr / 1Kor 16:2 Upon the first day of the week let every one of you lay by him in store, as God hath prospered him, that there be no gatherings when I come. Amin' ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin' inona na amin' inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako. Amin' ny andro voalohany isan-kerinandro, dia samia hianareo manokan-javatra any an-tranony, sy mandatsa-drakitra araka izay azony atao avy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola rahefa tonga aho. Que le premier jour de la semaine, chacun de vous mette de côté chez lui ce qu' il aura pu épargner, en sorte qu' on n' attende pas que je vienne pour recueillir les dons.
1Kr / 1Kor 16:3 And when I come, whomsoever ye shall approve by your letters, them will I send to bring your liberality unto Jerusalem. Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema. Ka rahefa tonga aho, dia hanendry olona hianareo hampitondraiko taratasy hanatitra ny fiantranareo any Jerosalema. Et une fois près de vous, j' enverrai, munis de lettres, ceux que vous aurez jugés aptes, porter vos libéralités à Jérusalem ;
1Kr / 1Kor 16:4 And if it be meet that I go also, they shall go with me. Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo. Ary raha mendrika ny fankanesako any aza izany, dia hiaraka amiko izy ireo. et s' il vaut la peine que j' y aille aussi, ils feront le voyage avec moi.
1Kr / 1Kor 16:5 Now I will come unto you, when I shall pass through Macedonia: for I do pass through Macedonia. Hankatý aminareo aho, rehefa namaky an' i Makedonia - fa hamaky an' i Makedonia aho - Ho any aminareo aho rahefa namaky an' i Masedonia, fa hamaky an' i Masedonia aho. J' irai chez vous, après avoir traversé la Macédoine ; car je passerai par la Macédoine.
1Kr / 1Kor 16:6 And it may be that I will abide, yea, and winter with you, that ye may bring me on my journey whithersoever I go. ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin' izay halehako. Ary angamba hitoetoetra any aminareo aho, na handany ny ririnina any aza, dia hianareo no hanatitra ahy any amin' izay halehako rehetra any. Peut-être séjournerai-je chez vous ou même y passerai-je l' hiver, afin que ce soit vous qui m' acheminiez vers l' endroit où j' irai.
1Kr / 1Kor 16:7 For I will not see you now by the way; but I trust to tarry a while with you, if the Lord permit. Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon' ny Tompo. Tsy dia ny hamangy anareo toy ny mandalo fotsiny no kasaiko amin' ity, fa ny hitoetra elaela no antenaiko, raha sitra-pon' ny Tompo. Car je ne veux pas vous voir juste en passant ; j' espère bien rester quelque temps chez vous, si le Seigneur le permet.
1Kr / 1Kor 16:8 But I will tarry at Ephesus until Pentecost. Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin' ny Pentekosta; Hijanona ao Efezy anefa aho, hatramin' ny Pentekoty, Toutefois je resterai à Éphèse jusqu'à la Pentecôte ;
1Kr / 1Kor 16:9 For a great door and effectual is opened unto me, and there are many adversaries. fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra. satria varavarana lehibe no mivoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra. car une porte y est ouverte toute grande à mon activité, et les adversaires sont nombreux.
1Kr / 1Kor 16:10 Now if Timotheus come, see that he may be with you without fear: for he worketh the work of the Lord, as I also do. Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan' ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa. Rahefa tonga atý aminareo Timote, ataovy izay tsy hananany tahotra eo aminareo, fa manao ny asan' ny Tompo toa ahy izy. Si Timothée arrive, veillez à ce qu' il soit sans crainte au milieu de vous ; car il travaille comme moi à l' oeuvre du Seigneur.
1Kr / 1Kor 16:11 Let no man therefore despise him: but conduct him forth in peace, that he may come unto me: for I look for him with the brethren. Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atý amiko; fa miandry azy mbamin' ny rahalahy sasany aho. Koa aoka tsy hisy hanao tsinontsinona azy. Atero izy ho tonga soa aman-tsara atý amiko, fa miandry azy mbamin' ny rahalahy sasany aho. Que personne donc ne le méprise. Acheminez-le en paix, pour qu' il vienne me rejoindre : je l' attends avec les frères.
1Kr / 1Kor 16:12 As touching our brother Apollos, I greatly desired him to come unto you with the brethren: but his will was not at all to come at this time; but he will come when he shall have convenient time. Ary ny amin' i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin' ny rahalahy hankatý aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin' izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. Ary ny amin' i Apolo rahalahintsika, dia niangavy mafy taminy aho mba hiara-mandeha amin' ny rahalahy sasany hankany aminareo izy, saingy tsy mbola sitrany ny handeha ankehitriny, fa rahefa misy hahafahany dia ho avy ihany izy. Quant à notre frère Apollos, je l' ai vivement exhorté à aller chez vous avec les frères, mais il ne veut absolument pas y aller maintenant ; il ira lorsqu' il en trouvera l' occasion.
1Kr / 1Kor 16:13 Watch ye, stand fast in the faith, quit you like men, be strong. Miambena ianareo, tomoera tsara amin' ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. Miambena, mahareta amin' ny finoana, misehoa ho lehilahy, ary mahereza fo. Veillez, demeurez fermes dans la foi, soyez des hommes, soyez forts.
1Kr / 1Kor 16:14 Let all your things be done with charity. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin' ny fitiavana. Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra. Que tout se passe chez vous dans la charité.
1Kr / 1Kor 16:15 I beseech you, brethren, (ye know the house of Stephanas, that it is the firstfruits of Achaia, and that they have addicted themselves to the ministry of the saints,) Fantatrareo ny ankohonan' i Stefanasy, fa voaloham-bokatr' i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin' ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy, Izao koa no hafatra ataoko aminareo, ry rahalahy: fantatrareo fa ry Stefanasy, dia voaloham-bokatra tany Akaia, sady nanokan-tena hanampy ny olona masina, Encore une recommandation, frères. Vous savez que Stéphanas et les siens sont les prémices de l' Achaïe, et qu' ils se sont rangés d' eux-mêmes au service des saints.
1Kr / 1Kor 16:16 That ye submit yourselves unto such, and to every one that helpeth with us, and laboureth. mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo. ka aoka hianareo hanaiky amim-panajana ny olona mendrika toy ireny, sy izay rehetra miara-miasa sy misasatra amin' ny asa toy izany. A votre tour, rangez-vous sous de tels hommes, et sous quiconque travaille et peine avec eux.
1Kr / 1Kor 16:17 I am glad of the coming of Stephanas and Fortunatus and Achaicus: for that which was lacking on your part they have supplied. Faly aho noho ny fihavian' i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo; Faly aho noho ny nahatongavan' i Stefanasy sy Fortonato ary Akaïko, fa ireo no nanao izay tsy efanareo. Je suis heureux de la visite de Stéphanas, de Fortunatus et d' Achaïcus, qui ont suppléé à votre absence ;
1Kr / 1Kor 16:18 For they have refreshed my spirit and your' s: therefore acknowledge ye them that are such. fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny. Namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy ireo; ka mahaiza manaja ny olona toy ireny. ils ont en effet tranquillisé mon esprit et le vôtre. Sachez donc apprécier de tels hommes.
1Kr / 1Kor 16:19 The churches of Asia salute you. Aquila and Priscilla salute you much in the Lord, with the church that is in their house. Manao veloma anareo ny fiangonana atý Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin' ny tompo Akoila sy Prisila mbamin' ny fiangonana izay ao an-tranony. Manao veloma anareo ny Eglizy rehetra atý Asia; manao veloma anareo indrindra ao amin' ny Tompo Akilasy sy Prisila mbamin' ny Eglizy izay ao an-tranony. Les Églises d' Asie vous saluent. Aquilas et Prisca vous saluent bien dans le Seigneur, ainsi que l' assemblée qui se réunit chez eux.
1Kr / 1Kor 16:20 All the brethren greet you. Greet ye one another with an holy kiss. Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin' ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin' ny fanorohana masina. Tous les frères vous saluent. Saluez-vous les uns les autres par un saint baiser.
1Kr / 1Kor 16:21 The salutation of me Paul with mine own hand. Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma. Izaho Paoly, manao veloma anareo, amin' ny sora-tànako. La salutation est de ma main, à moi, Paul.
1Kr / 1Kor 16:22 If any man love not the Lord Jesus Christ, let him be Anathema Maranatha. Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata. Raha misy tsy an' i Jeso-Kristy Tompontsika, dia aoka ho voaozona izy! Maran-Atha (Tamy ny Tompontsika). Si quelqu' un n' aime pas le Seigneur, qu' il soit anathème ! " Maran atha. "
1Kr / 1Kor 16:23 The grace of our Lord Jesus Christ be with you. Ho aminareo anie ny fahasoavan' i Jesosy Kristy Tompo; Ho aminareo anie ny fahasoavan' i Jeso-Kristy Tompo. La grâce du Seigneur Jésus soit avec vous !
1Kr / 1Kor 16:24 My love be with you all in Christ Jesus. Amen. ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin' i Kristy Jesosy. Amena. Ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin' ny Kristy Jeso. Amena. Je vous aime tous dans le Christ Jésus.

<-
->