<-
->

Deo / Dt 21:1 If one be found slain in the land which the Lord thy God giveth thee to possess it, lying in the field, and it be not known who hath slain him: Raha tahìny misy maty novonoin' olona hita miampatra any an-tsaha amin' ny tany izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy, Raha misy maty novonoin' olona hita miampatra any an-tsaha amin' ny tany omena' Iaveh Andriamanitrao anao hanananao azy, ka tsy fantatra izay namono azy, Si l' on découvre, sur la terre que Yahvé ton Dieu te donne pour domaine, un homme assassiné gisant dans la campagne, sans qu' on sache qui l' a frappé,
Deo / Dt 21:2 Then thy elders and thy judges shall come forth, and they shall measure unto the cities which are round about him that is slain: dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin' ny faty ka hatramin' izay tanàna manodidina azy. dia aoka ny loholona amam-pitsaranao handeha handrefy ny anelanelan' ny tanàna manodidina sy ny toerana misy ny faty. tes anciens et tes scribes iront mesurer la distance entre la victime et les villes d' alentour,
Deo / Dt 21:3 And it shall be, that the city which is next unto the slain man, even the elders of that city shall take an heifer, which hath not been wrought with, and which hath not drawn in the yoke; Ary ny loholona amin' ny tanàna izay akaikin' ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany. Ary ny amin' ny tanàna akaikin' ny faty indrindra dia halain' ny loholona amin' izany tanàna izany ny vantotr' ombivavy iray izay tsy mbola nampiasaina, na nitari-javatra amin' ny jioga, et détermineront quelle est la ville la plus proche de la victime. Puis les anciens de cette ville prendront une génisse qu' on n' ait pas encore fait travailler ni tirer sous le joug.
Deo / Dt 21:4 And the elders of that city shall bring down the heifer unto a rough valley, which is neither eared nor sown, and shall strike off the heifer' s neck there in the valley: Ary ilay ombivavy kely dia ho entin' ny loholona amin' izany tanàna izany midina any amin' izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony. ka hitondra azy midina amin' ny sakeli-drano tsy ritra amin' ny fitoerana tsy mbola voavoly na voafafy, ary ao no hamolahany ny hatoky ny vantotr' ombivavy ao amin' ny sakeli-drano. Les anciens de cette ville feront descendre la génisse à un cours d' eau qui ne tarit pas, en un lieu qui n' a été ni travaillé ni ensemencé, et là, sur le cours d' eau, ils briseront la nuque de la génisse.
Deo / Dt 21:5 And the priests the sons of Levi shall come near; for them the Lord thy God hath chosen to minister unto him, and to bless in the name of the Lord; and by their word shall every controversy and every stroke be tried: Ary ireo mpisorona, taranak' i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin' i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin' ny anaran' i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra; Dia hanatona ny mpisorona, taranak' i Levì, fa ireo no nofidin' ny Tompo Andriamanitrao, hanompo azy sy hitso-drano amin' ny anaran' ny Tompo Andriamanitrao; ary araka ny tenin' izy ireo no itsarana ny fifandirana sy ny fandratràna rehetra. Les prêtres fils de Lévi s' approcheront ; car ce sont eux que Yahvé ton Dieu a choisis pour son service et pour donner la bénédiction au nom de Yahvé, et il leur revient de prononcer sur toute querelle et sur toute voie de fait.
Deo / Dt 21:6 And all the elders of that city, that are next unto the slain man, shall wash their hands over the heifer that is beheaded in the valley: ary ny loholona rehetra amin' izany tanàna akaikin' ny faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin' ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony; Hanasa ny tànany eo ambonin' ilay vantotr' ombivavy voafola-katoka teo amin' ny sakeli-drano ny loholona rehetra amin' ny tanàna akaikin' ny faty indrindra, Alors, tous les anciens de la ville la plus proche de l' homme tué se laveront les mains dans le cours d' eau, sur la génisse abattue.
Deo / Dt 21:7 And they shall answer and say, Our hands have not shed this blood, neither have our eyes seen it. dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay. dia hiteny izy ireo, ka hanao hoe: Tsy nandatsaka ity rà ity ny tànanay, ary tsy nahita izany ny masonay. Ils prononceront ces paroles : " Nos mains n' ont pas versé ce sang et nos yeux n' ont rien vu.
Deo / Dt 21:8 Be merciful, O Lord, unto thy people Israel, whom thou hast redeemed, and lay not innocent blood unto thy people of Israel' s charge. And the blood shall be forgiven them. Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin' izany rà izany izy. Ry Iaveh ô, avelao ny helok' Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan' Israely vahoakanao ny rà tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin' izy ireo izany rà izany. Pardonne à Israël ton peuple, toi Yahvé qui l' as racheté, et ne laisse pas verser un sang innocent au milieu d' Israël ton peuple. Et ce sang leur sera pardonné. "
Deo / Dt 21:9 So shalt thou put away the guilt of innocent blood from among you, when thou shalt do that which is right in the sight of the Lord. Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah ianao. Izany no hanesoranao eo afovoanao ny rà tsy manan-tsiny, amin' ny fanaovanao izay mahitsy eo imason' ny Tompo. Mais toi, tu feras disparaître du milieu de toi toute effusion de sang innocent, si tu veux faire ce qui est juste aux yeux de Yahvé.
Deo / Dt 21:10 When thou goest forth to war against thine enemies, and the Lord thy God hath delivered them into thine hands, and thou hast taken them captive, Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr' i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao, Raha mivoaka hiady amin' ny fahavalonao hianao, ka atolotry ny Tompo Andriamanitrao eo an-tànanao izy ary misy azonao sambo-belona izy ireo, Lorsque tu partiras en guerre contre tes ennemis, que Yahvé ton Dieu les aura livrés en ton pouvoir et que tu leur auras fait des prisonniers,
Deo / Dt 21:11 And seest among the captives a beautiful woman, and hast a desire unto her, that thou wouldest have her to thy wife; ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin' ny babo ka tianao hovadina, ka mahita vehivavy tsara tarehy anankiray amin' ny babo hianao, ka raiki-pitia azy sy maniry hanambady azy, si tu vois parmi eux une femme bien faite et que tu t' en éprennes, tu pourras la prendre pour femme
Deo / Dt 21:12 Then thou shalt bring her home to thine house, and she shall shave her head, and pare her nails; dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony, dia ento miditra ao anatin' ny tranonao izy. Amin' izay ny lohany haratany, ny hohony halany, et l' amener en ta maison. Elle se rasera la tête, se coupera les ongles
Deo / Dt 21:13 And she shall put the raiment of her captivity from off her, and shall remain in thine house, and bewail her father and her mother a full month: and after that thou shalt go in unto her, and be her husband, and she shall be thy wife. ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin' ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy. ny fitafiany tamin' ny nahababo azy havelany, ary izy hitoetra ao an-tranonao, hitomany ny ray aman-dreniny iray volana izy; rahefa izany dia handeha aminy hianao, ka hianao ho vadiny, izy ho vadinao. et quittera son vêtement de captive ; elle demeurera dans ta maison et pleurera tout un mois son père et sa mère. Ensuite tu pourras t' approcher d' elle, agir en mari, et elle sera ta femme.
Deo / Dt 21:14 And it shall be, if thou have no delight in her, then thou shalt let her go whither she will; but thou shalt not sell her at all for money, thou shalt not make merchandise of her, because thou hast humbled her. Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao. Ary raha avy izay tsy hankasitrahanao azy intsony, dia avelao izy handeha amin' izay tiany, fa tsy ho azonao hamidy vola, tsy hoentina toy ny andevo, satria efa novinadinao izy. S' il arrive qu' elle cesse de te plaire, tu la laisseras partir à son gré, sans la vendre à prix d' argent : tu ne dois pas en tirer profit, puisque tu as usé d' elle.
Deo / Dt 21:15 If a man have two wives, one beloved, and another hated, and they have born him children, both the beloved and the hated; and if the firstborn son be hers that was hated: Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak' ilay tsy tiany no lahimatoa: Raha misy lehilahy nampirafy roa, ka ny iray tiany, ny iray halany, ary samy miteraka zazalahy aminy, na ilay tiany, na ity halany, ary ny zanany lahimatoa dia naterak' ity halany, Si un homme a deux femmes, l' une qu' il aime et l' autre qu' il n' aime pas, et que la femme aimée et l' autre lui donnent des fils, s' il arrive que l' aîné soit de la femme qu' il n' aime pas,
Deo / Dt 21:16 Then it shall be, when he maketh his sons to inherit that which he hath, that he may not make the son of the beloved firstborn before the son of the hated, which is indeed the firstborn: amin' ny andro handidiany fananana ho an' ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany; dia tsy azony atao lahimatoa ny zanak' ilay tiany ho solon' ny zanak' ilay halany amin' ny andro andidiany ny fananany ho an-janany, satria izy no tena lahimatoa. cet homme ne pourra pas, le jour où il attribuera ses biens à ses fils, traiter en aîné le fils de la femme qu' il aime, au détriment du fils de la femme qu' il n' aime pas, l' aîné véritable.
Deo / Dt 21:17 But he shall acknowledge the son of the hated for the firstborn, by giving him a double portion of all that he hath: for he is the beginning of his strength; the right of the firstborn is his. fa ny lahimatoa, zanak' ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin' izay rehetra ananany; fa voalohan' ainy izy, ka azy ny fizokiana. Fa ny zanak' ity tsy tiany ihany no hataony lahimatoa, sy homeny anjaran-droa amin' ny ananany rehetra, satria santatry ny fahatanjahany io zanany io, ka an' io ny fizokiana. Mais il reconnaîtra l' aîné dans le fils de celle-ci, en lui donnant double part de tout ce qu' il possède : car ce fils, prémices de sa vigueur, détient le droit d' aînesse. .
Deo / Dt 21:18 If a man have a stubborn and rebellious son, which will not obey the voice of his father, or the voice of his mother, and that, when they have chastened him, will not hearken unto them: Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon' ny rainy, na ny feon' ny reniny, ka tsy zakany anarina, Raha misy olona manan-janaka lahy maditra sy manohitra, tsy henoiny akory izay feon-drainy na feon-dreniny, ary na faizin' ireo aza izy dia tsy henoiny, Si un homme a un fils dévoyé et indocile, qui ne veut écouter ni la voix de son père ni la voix de sa mère, et qui, châtié par eux, ne les écoute pas davantage,
Deo / Dt 21:19 Then shall his father and his mother lay hold on him, and bring him out unto the elders of his city, and unto the gate of his place; dia hosamborin' ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin' ny loholona amin' ny tanànany, eo amin' ny vavahadin' ny tanàna onenany, dia hosamborin-drainy aman-dreniny izy, ka hoentiny amin' ny loholon' ny tanàna, eo am-bavahadin' ny fitoerana onenany, son père et sa mère se saisiront de lui et l' amèneront dehors aux anciens de la ville, à la porte du lieu.
Deo / Dt 21:20 And they shall say unto the elders of his city, This our son is stubborn and rebellious, he will not obey our voice; he is a glutton, and a drunkard. dia hiteny amin' ny loholona amin' ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony. ary holazainy amin' ny loholon' ny tanàna hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra, tsy mihaino ny feonay, fa manaram-po amin' ny fahalotoana amam-pimamoana. Ils diront aux anciens de sa ville : " Notre fils que voici se dévoie, il est indocile et ne nous écoute pas, il est débauché et buveur. "
Deo / Dt 21:21 And all the men of his city shall stone him with stones, that he die: so shalt thou put evil away from among you; and all Israel shall hear, and fear. Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra. Dia hitora-bato azy ny olona rehetra eo an-tanànany ka ho faty izy. Ary izany no hamongorana ny ratsy eo afovoanao, ary handre izany Israely rehetra ka hatahotra. Alors tous ses concitoyens le lapideront jusqu'à ce que mort s' ensuive. Tu feras disparaître le mal du milieu de toi, tout Israël l' entendra dire et craindra.
Deo / Dt 21:22 And if a man have committed a sin worthy of death, and he be to be put to death, and thou hang him on a tree: Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin' ny hazo. Raha misy olona manao heloka mahafaty, ka novonoina sy nahantona amin' ny hazo, Si un homme, coupable d' un crime capital, a été mis à mort et que tu l' aies pendu à un arbre,
Deo / Dt 21:23 His body shall not remain all night upon the tree, but thou shalt in any wise bury him that day; (for he that is hanged is accursed of God;) that thy land be not defiled, which the Lord thy God giveth thee for an inheritance. dia tsy havela hiloaka alina eo amin' ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr' iny ihany izy (fa voaozon' Andriamanitra ny mihantona amin' ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen' i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao. dia tsy hiloak' alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao mihitsy androtr' iny ihany, satria hiharan' ny fanozonan' Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoinao ny tany omen' ny Tompo Andriamanitrao anao ho lova. son cadavre ne pourra être laissé la nuit sur l' arbre ; tu l' enterreras le jour même, car un pendu est une malédiction de Dieu, et tu ne rendras pas impur le sol que Yahvé te donne en héritage.

<-
->