<-
->

Mat / Mt 21:1 And when they drew nigh unto Jerusalem, and were come to Bethphage, unto the mount of Olives, then sent Jesus two disciples, Ary raha nanakaiky an' i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: Ary rahefa nanakaiky an' i Jerosalema izy ireo, ka tonga tao Betifage anilan' ny tendrombohitry ny Oliva, dia naniraka mpianatra roalahy Jeso Quand ils approchèrent de Jérusalem et arrivèrent en vue de Bethphagé, au mont des Oliviers, alors Jésus envoya deux disciples
Mat / Mt 21:2 Saying unto them, Go into the village over against you, and straightway ye shall find an ass tied, and a colt with her: loose them, and bring them unto me. Mankanesa amin' iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin' izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento etý amiko. ka nilazany hoe: Mankanesa amin' itsy vohitra tandrifinareo itsy, ary rahefa mby ao hianareo dia hahita ampondravavy mifatotra sy ny zanany eo aminy: vahao izy, dia ento atý amiko; en leur disant : " Rendez-vous au village qui est en face de vous ; et aussitôt vous trouverez, à l' attache, une ânesse avec son ânon près d' elle ; détachez-la et amenez-les-moi.
Mat / Mt 21:3 And if any man say ought unto you, ye shall say, The Lord hath need of them; and straightway he will send them. Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan' ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin' izay izy. ka raha tahiny misy miteny anareo, dia ilazao hoe: Misy ilan' ny Tompo azy; dia havelany hoentinareo miaraka amin' izay izy. Et si quelqu' un vous dit quelque chose, vous direz : "Le Seigneur en a besoin, mais aussitôt il les renverra". "
Mat / Mt 21:4 All this was done, that it might be fulfilled which was spoken by the prophet, saying, Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Ary tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka ity teny nolazain' ny mpaminany ity hoe: Ceci advint pour que s' accomplît l' oracle du prophète :
Mat / Mt 21:5 Tell ye the daughter of Sion, Behold, thy King cometh unto thee, meek, and sitting upon an ass, and a colt the foal of an ass. Lazao amin' i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa (Zak. 9. 9). Lazao amin' ny zanakavavin' i Siona hoe: Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao, malemy fanahy sady mitaingina ampondra, dia zanak' ampondra mitondra jioga. Dites à la fille de Sion : Voici que ton Roi vient à toi ; modeste, il monte une ânesse, et un ânon, petit d' une bête de somme.
Mat / Mt 21:6 And the disciples went, and did as Jesus commanded them, Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian' i Jesosy azy, Dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nasain' i Jeso nataony, Les disciples allèrent donc et, faisant comme leur avait ordonné Jésus,
Mat / Mt 21:7 And brought the ass, and the colt, and put on them their clothes, and they set him thereon. dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy. dia nentiny ny ampondra sy ny zanany ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia nitaingina teo Jeso. ils amenèrent l'ânesse et l'ânon. Puis ils disposèrent sur eux leurs manteaux et Jésus s' assit dessus.
Mat / Mt 21:8 And a very great multitude spread their garments in the way; others cut down branches from the trees, and strawed them in the way. Ary ny ankabiazan' ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany. Be ny vahoaka namelatra ny fitafiany teny amin' ny làlana; ny sasany kosa naka rantsan-kazo dia nampihahaka azy teny an-dàlana koa; Alors les gens, en très nombreuse foule, étendirent leurs manteaux sur le chemin ; d' autres coupaient des branches aux arbres et en jonchaient le chemin.
Mat / Mt 21:9 And the multitudes that went before, and that followed, cried, saying, Hosanna to the son of David: Blessed is he that cometh in the name of the Lord; Hosanna in the highest. Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an' ny Zanak' i Davida! Isaorana anie Izay avy amin' ny anaran' i Jehovah! Hosana any amin' ny avo indrindra (Sal. 118. 26). ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka azy, samy niantso nanao hoe: Hosana ho an' ny Zanak' i Davida. Isaorana anie izay avy amin' ny anaran' ny Tompo! Hosana any amin' ny avo indrindra. Les foules qui marchaient devant lui et celles qui suivaient criaient : " Hosanna au fils de David ! Béni soit celui qui vient au nom du Seigneur ! Hosanna au plus haut des cieux ! "
Mat / Mt 21:10 And when he was come into Jerusalem, all the city was moved, saying, Who is this? Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao? Ary nony efa tonga tao Jerosalema izy, dia taitra avokoa ny tao an-tanàna ka nanao hoe: Iza moa izao? Quand il entra dans Jérusalem, toute la ville fut agitée. " Qui est-ce ? " disait-on,
Mat / Mt 21:11 And the multitude said, This is Jesus the prophet of Nazareth of Galilee. Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia. Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izy no Jeso mpaminany, avy any Nazareta any Galilea. et les foules disaient : " C' est le prophète Jésus, de Nazareth en Galilée. "
Mat / Mt 21:12 And Jesus went into the temple of God, and cast out all them that sold and bought in the temple, and overthrew the tables of the moneychangers, and the seats of them that sold doves, Ary Jesosy niditra teo an-kianjan' ny tempolin' Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan' ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan' ny mpivarotra ny voromailala; Dia niditra tao amin' ny tempolin' Andriamanitra Jeso, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin' ny tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin' ny fipetrahan' ny mpivaro-boromailala. Puis Jésus entra dans le Temple et chassa tous les vendeurs et acheteurs qui s' y trouvaient : il culbuta les tables des changeurs, ainsi que les sièges des marchands de colombes.
Mat / Mt 21:13 And said unto them, It is written, My house shall be called the house of prayer; but ye have made it a den of thieves. dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi. 7); fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren' ny jiolahy (Jer. 7. 11). Dia hoy izy tamin' ireo: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana, fa hianareo kosa manao azy ho trano fandrian-dompy. Et il leur dit : " Il est écrit : Ma maison sera appelée une maison de prière. Mais vous, vous en faites un repaire de brigands ! "
Mat / Mt 21:14 And the blind and the lame came to him in the temple; and he healed them. Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan' ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy. Ary nisy jamba sy mandringa nanatona azy teo amin' ny tempoly ka nositraniny izy ireo. Il y eut aussi des aveugles et des boiteux qui s' approchèrent de lui dans le Temple, et il les guérit.
Mat / Mt 21:15 And when the chief priests and scribes saw the wonderful things that he did, and the children crying in the temple, and saying, Hosanna to the son of David; they were sore displeased, Fa nony hitan' ny lohan' ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan' ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an' ny Zanak' i Davida! - dia tezitra izy Fa tezitra ny lohandohan' ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nony nahita ny fahagagana nataony sy ireto ankizy madinika nihoraka tao an-tempoly nanao hoe: Hosana ho an' ny Zanak' i Davida, Voyant les prodiges qu' il venait d' accomplir et ces enfants qui criaient dans le Temple : " Hosanna au fils de David ! ", les grands prêtres et les scribes furent indignés
Mat / Mt 21:16 And said unto him, Hearest thou what these say? And Jesus saith unto them, Yea; have ye never read, Out of the mouth of babes and sucklings thou hast perfected praise? ka nanao taminy hoe: Renao va izay lazain' ireo? Dia hoy Jesosy taminy: Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: Avy amin' ny vavan' ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana (Sal. 8. 2)? ka dia niteny taminy hoe: Renao va izay lazain' ireo? Eny, hoy Jeso, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe: Avy amin' ny vavan' ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera? et ils lui dirent : " Tu entends ce qu' ils disent, ceux-là ? " - " Parfaitement, leur dit Jésus ; n' avez-vous jamais lu ce texte : De la bouche des tout-petits et des nourrissons, tu t' es ménagé une louange ? "
Mat / Mt 21:17 And he left them, and went out of the city into Bethany; and he lodged there. Dia nandao azy Izy ka niala tao an-tanàna hankany Betania; ary dia nitoetra tao mandritra ny alina Izy. Dia nilaozany teo ireo, ary niala tao an-tanàna izy ka nankany Betania, dia nandry tany. Et les laissant, il sortit de la ville pour aller à Béthanie, où il passa la nuit.
Mat / Mt 21:18 Now in the morning as he returned into the city, he hungered. Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana. Nony niverina maraina ho any an-tanàna izy, dia noana. Comme il rentrait en ville de bon matin, il eut faim.
Mat / Mt 21:19 And when he saw a fig tree in the way, he came to it, and found nothing thereon, but leaves only, and said unto it, Let no fruit grow on thee henceforward for ever. And presently the fig tree withered away. Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy. Ary nahita aviavim-bazaha anankiray teo amoron-dàlana izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita teo aminy afa-tsy ravina ihany; dia hoy izy taminy: Aza misy voa avy aminao mandrakizay. Niaraka tamin' izay dia maina ilay aviavy. Voyant un figuier près du chemin, il s' en approcha, mais n' y trouva rien que des feuilles. Il lui dit alors : " Jamais plus tu ne porteras de fruit ! " Et à l' instant même le figuier devint sec.
Mat / Mt 21:20 And when the disciples saw it, they marvelled, saying, How soon is the fig tree withered away! Ary nony hitan' ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io? Ary gaga ny mpianatra nahita izany ka nanao hoe: Adre! nahoana re no dia maina vetivety foana teo ity aviavy e? A cette vue, les disciples dirent tout étonnés : " Comment, en un instant, le figuier est-il devenu sec ? "
Mat / Mt 21:21 Jesus answered and said unto them, Verily I say unto you, If ye have faith, and doubt not, ye shall not only do this which is done to the fig tree, but also if ye shall say unto this mountain, Be thou removed, and be thou cast into the sea; it shall be done. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin' ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin' ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. Ary Jeso namaly ka nanao taminy hoe: Izaho milaza marina aminareo, fa raha manam-pinoana hianareo ka tsy misalasala, dia tsy ny natao tamin' ny aviavy ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hilazanareo hoe: Mialà hianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. Jésus leur répondit : " En vérité je vous le dis, si vous avez une foi qui n' hésite point, non seulement vous ferez ce que je viens de faire au figuier, mais même si vous dites à cette montagne : "Soulève-toi et jette-toi dans la mer", cela se fera.
Mat / Mt 21:22 And all things, whatsoever ye shall ask in prayer, believing, ye shall receive. Ary na inona na inona no angatahinareo amin' ny fivavahana atao amin' ny finoana dia ho azonareo. Ary na inona na inona hangatahinareo amim-pinoana amin' ny fivavahana, dia ho azonareo. Et tout ce que vous demanderez dans une prière pleine de foi, vous l' obtiendrez. "
Mat / Mt 21:23 And when he was come into the temple, the chief priests and the elders of the people came unto him as he was teaching, and said, By what authority doest thou these things? and who gave thee this authority? Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan' ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan' ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao? Ary rahefa tafiditra tao amin' ny tempoly izy ka nampianatra teo, dia nanatona azy ny lohandohan' ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany? Il était entré dans le Temple et il enseignait, quand les grands prêtres et les anciens du peuple s' approchèrent et lui dirent : " Par quelle autorité fais-tu cela ? Et qui t' a donné cette autorité ? "
Mat / Mt 21:24 And Jesus answered and said unto them, I also will ask you one thing, which if ye tell me, I in like wise will tell you by what authority I do these things. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: Namaly Jeso ka nanao taminy hoe: Hanontaniako zavatra iray loha kosa hianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Jésus leur répondit : " De mon côté, je vais vous poser une question, une seule ; si vous m' y répondez, moi aussi je vous dirai par quelle autorité je fais cela.
Mat / Mt 21:25 The baptism of John, whence was it? from heaven, or of men? And they reasoned with themselves, saying, If we shall say, From heaven; he will say unto us, Why did ye not then believe him? Ny batisan' i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin' ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo? Avy taiza moa ny batemin' i Joany? avy tany an-danitra, sa avy tamin' ny olona? Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe: Le baptême de Jean, d' où était-il ? Du Ciel ou des hommes ? " Mais ils se faisaient en eux-mêmes ce raisonnement : " Si nous disons : "Du Ciel", il nous dira : "Pourquoi donc n' avez-vous pas cru en lui ?"
Mat / Mt 21:26 But if we shall say, Of men; we fear the people; for all hold John as a prophet. Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin' ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon' izy rehetra ho mpaminany Jaona. Raha hataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy hianareo? Ary raha hataontsika hoe: Avy tamin' ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika; fa ataon' izy rehetra ho mpaminany Joany. Et si nous disons : "Des hommes", nous avons à craindre la foule, car tous tiennent Jean pour un prophète. "
Mat / Mt 21:27 And they answered Jesus, and said, We cannot tell. And he said unto them, Neither tell I you by what authority I do these things. Dia namaly an' i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany. Dia izao no navaliny an' i Jeso: Tsy fantatray. - Izaho kosa ary, hoy izy taminy, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao. Et ils firent à Jésus cette réponse : " Nous ne savons pas. " De son côté il répliqua : " Moi non plus, je ne vous dis pas par quelle autorité je fais cela. "
Mat / Mt 21:28 But what think ye? A certain man had two sons; and he came to the first, and said, Son, go work to day in my vineyard. Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin' ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin' ny tanim-boaloboko anio. Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any amin' ny tanim-boaloboko anio. " Mais dites-moi votre avis. Un homme avait deux enfants. S' adressant au premier, il dit : "Mon enfant, va-t' en aujourd' hui travailler à la vigne. " -
Mat / Mt 21:29 He answered and said, I will not: but afterward he repented, and went. Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. Tsy handeha aho, hoy izy; kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. "Je ne veux pas", répondit-il ; ensuite pris de remords, il y alla.
Mat / Mt 21:30 And he came to the second, and said likewise. And he answered and said, I go, sir: and went not. Dia nankeo amin' ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. Dia nankeo amin' ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Handeha aho, tompoko, hoy io; kanefa tsy nandeha izy. S' adressant au second, il dit la même chose ; l' autre répondit : "Entendu, Seigneur", et il n' y alla point.
Mat / Mt 21:31 Whether of them twain did the will of his father? They say unto him, The first. Jesus saith unto them, Verily I say unto you, That the publicans and the harlots go into the kingdom of God before you. Ka iza moa amin' izy mirahalahy no nanao ny sitrapon' ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin' ny fanjakan' Andriamanitra. Iza moa amin' izy roa lahy no nanao ny sitra-pon' ny rainy? Ny lahimatoa, hoy ireo. Dia hoy Jeso taminy: Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin' ny fanjakan' Andriamanitra; Lequel des deux a fait la volonté du père ? " - " Le premier ", disent-ils. Jésus leur dit : " En vérité je vous le dis, les publicains et les prostituées arrivent avant vous au Royaume de Dieu.
Mat / Mt 21:32 For John came unto you in the way of righteousness, and ye believed him not: but the publicans and the harlots believed him: and ye, when ye had seen it, repented not afterward, that ye might believe him. Fa Jaona nankany aminareo tamin' ny lalan' ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy. fa tonga teo aminareo tamin' ny làlan' ny fahamarinana Jonasy, nefa hianareo tsy nino azy; fa ny poblikàna sy ny vehivavy janga no nino azy; ary hianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy. En effet, Jean est venu à vous dans la voie de la justice, et vous n' avez pas cru en lui ; les publicains, eux, et les prostituées ont cru en lui ; et vous, devant cet exemple, vous n' avez même pas eu un remords tardif qui vous fit croire en lui. "
Mat / Mt 21:33 Hear another parable: There was a certain householder, which planted a vineyard, and hedged it round about, and digged a winepress in it, and built a tower, and let it out to husbandmen, and went into a far country: Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin' olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin' ny tany hafa izy. Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin' ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy. " Écoutez une autre parabole. Un homme était propriétaire, et il planta une vigne ; il l' entoura d' une clôture, y creusa un pressoir et y bâtit une tour ; puis il la loua à des vignerons et partit en voyage.
Mat / Mt 21:34 And when the time of the fruit drew near, he sent his servants to the husbandmen, that they might receive the fruits of it. Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin' ny mpiasa tany handray ny vokatra. Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin' ireo mpiasa ny ankizilahiny, handray ny vokatry ny tanim-boalobony; Quand approcha le moment des fruits, il envoya ses serviteurs aux vignerons pour en recevoir les fruits.
Mat / Mt 21:35 And the husbandmen took his servants, and beat one, and killed another, and stoned another. Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. fa nosamborin' ireo mpiasa ny ankizilahiny, ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato. Mais les vignerons se saisirent de ses serviteurs, battirent l' un, tuèrent l' autre, en lapidèrent un troisième.
Mat / Mt 21:36 Again, he sent other servants more than the first: and they did unto them likewise. Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny. Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy, fa nataony toraka izany ihany koa. De nouveau il envoya d' autres serviteurs, plus nombreux que les premiers, et ils les traitèrent de même.
Mat / Mt 21:37 But last of all he sent unto them his son, saying, They will reverence my son. Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy, fa hanaja ny zanako izy, hoy izy. Finalement il leur envoya son fils, en se disant : "Ils respecteront mon fils. "
Mat / Mt 21:38 But when the husbandmen saw the son, they said among themselves, This is the heir; come, let us kill him, and let us seize on his inheritance. Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany. Kanjo nony hitan' ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany, Mais les vignerons, en voyant le fils, se dirent par-devers eux : "Celui-ci est l' héritier : venez ! tuons-le, que nous ayons son héritage. "
Mat / Mt 21:39 And they caught him, and cast him out of the vineyard, and slew him. Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan' ny tanim-boaloboka, dia namono azy. Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan' ny tanim-boaloboka, ary novonoiny. Et, le saisissant, ils le jetèrent hors de la vigne et le tuèrent.
Mat / Mt 21:40 When the lord therefore of the vineyard cometh, what will he do unto those husbandmen? Koa raha tonga ny tompon' ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany? Koa rahefa tonga ilay tompon' ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany? Lors donc que viendra le maître de la vigne, que fera-t-il à ces vignerons-là ? "
Mat / Mt 21:41 They say unto him, He will miserably destroy those wicked men, and will let out his vineyard unto other husbandmen, which shall render him the fruits in their seasons. Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin' ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin' ny fotoany avy. Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin' ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin' ny fotoany. Ils lui disent : " Il fera misérablement périr ces misérables, et il louera la vigne à d' autres vignerons, qui lui en livreront les fruits en leur temps. "
Mat / Mt 21:42 Jesus saith unto them, Did ye never read in the scriptures, The stone which the builders rejected, the same is become the head of the corner: this is the Lord' s doing, and it is marvellous in our eyes? Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin' ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin' ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin' i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23). Dia hoy Jeso taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian' ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin' ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika? Jésus leur dit : " N' avez-vous jamais lu dans les Écritures : La pierre qu' avaient rejetée les bâtisseurs c' est elle qui est devenue pierre de faîte ; c' est là l' oeuvre du Seigneur et elle est admirable à nos yeux ?
Mat / Mt 21:43 Therefore say I unto you, The kingdom of God shall be taken from you, and given to a nation bringing forth the fruits thereof. Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan' Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany. Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hesorina aminareo ny fanjakan' Andriamanitra, ka hafindra amin' ny firenena hampahavokatra azy. " Aussi, je vous le dis : le Royaume de Dieu vous sera retiré pour être confié à un peuple qui lui fera produire ses fruits " [
Mat / Mt 21:44 And whosoever shall fall on this stone shall be broken: but on whomsoever it shall fall, it will grind him to powder. Ary izay potraka amin' ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo. Izay ho lavo amin' ity vato ity dia ho torotoro; ary izay hianjeran' ity vato ity dia ho mongomongo. ].
Mat / Mt 21:45 And when the chief priests and Pharisees had heard his parables, they perceived that he spake of them. Ary rehefa ren' ny lohan' ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon' i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin' izany. Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan' ny mpisorona sy ny Farisiana, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin' izany, Les grands prêtres et les Pharisiens, en entendant ses paraboles, comprirent bien qu' il les visait.
Mat / Mt 21:46 But when they sought to lay hands on him, they feared the multitude, because they took him for a prophet. Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon' ny vahoaka ho mpaminany Jesosy. ka nitady hisambotra azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao azy ho mpaminany izy ireo. Mais, tout en cherchant à l' arrêter, ils eurent peur des foules, car elles le tenaient pour un prophète.

<-
->