<-
->

Zef / Sof 3:1 Woe to her that is filthy and polluted, to the oppressing city! Lozan' ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory! Loza ho an' ilay miodina sy voaloto dia ny tanàna fampahoriana! Malheur à la rebelle, la souillée, à la ville tyrannique!
Zef / Sof 3:2 She obeyed not the voice; she received not correction; she trusted not in the Lord; she drew not near to her God. Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny. Tsy nisy feo nohenoiny akory, tsy nandray anatra izy, tsy niankina tamin' ny Tompo, tsy nanatona an' Andriamaniny. Elle n' a pas écouté l' appel, elle n' a pas accepté la leçon; à Yahvé, elle ne s' est pas confiée, de son Dieu, elle ne s' est pas approchée.
Zef / Sof 3:3 Her princes within her are roaring lions; her judges are evening wolves; they gnaw not the bones till the morrow. Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina. Ao aminy, ny mpanapaka, liona mierona; ny mpitsarany, amboadia hariva, tsy mamela na inona na inona ho tra-maraina. Ses princes au milieu d' elle sont des lions rugissants; ses juges, des loups de la steppe qui ne gardent rien pour le matin;
Zef / Sof 3:4 Her prophets are light and treacherous persons: her priests have polluted the sanctuary, they have done violence to the law. Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy. Ny mpaminaniny vavàna sady olona mamitaka; ny mpisorony mandoto ny zava-masina sy mandika ny lalàna. ses prophètes sont des vantards, des imposteurs; ses prêtres profanent les choses saintes, ils violent la Loi.
Zef / Sof 3:5 The just Lord is in the midst thereof; he will not do iniquity: every morning doth he bring his judgment to light, he faileth not; but the unjust knoweth no shame. Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin' ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra. Marina Iaveh eo afovoany, tsy misy tsy rariny ny ataony; mamoaka ny fitsarany isa-maraina izy mba hanome ny fahazavana, ary tsy diso amin' izany izy na oviana na oviana; fa ny olona tsy tia vavaka tsy mahalala henatra! Au milieu d' elle, Yahvé est juste; il ne commet rien d' inique; matin après matin, il promulgue son droit, à l' aube il ne fait pas défaut. Mais l' inique ne connaît pas la honte.
Zef / Sof 3:6 I have cut off the nations: their towers are desolate; I made their streets waste, that none passeth by: their cities are destroyed, so that there is no man, that there is none inhabitant. Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin' ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina. Firenena maro no naringako, ka rava ny tilikambony, nataoko lao ny arabeny ka tsy hisy mpandia intsony; voarava ny tanànany ka tsy misy olona intsony, tsy misy mponina na iray aza. J' ai retranché les nations, leurs tours d' angle ont été détruites; j' ai rendu leurs rues désertes : plus de passants! leurs cités ont été saccagées : plus d' hommes, plus d' habitants!
Zef / Sof 3:7 I said, Surely thou wilt fear me, thou wilt receive instruction; so their dwelling should not be cut off, howsoever I punished them: but they rose early, and corrupted all their doings. Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra. Hoy aho: Hatahotra ahy ahay hianao, handray ny anatra; dia tsy ho rava ny fonenany, araka izay rehetra notapahako ny aminy. Kanjo vao mainka nirotoroto izy ireo hanimba ny asa rehetra ataony. Je disais : " Au moins tu me craindras, tu accepteras la leçon; à ses yeux ne peuvent s' effacer tant de venues dont je l' ai visitée. " Mais non! ils se sont hâtés de pervertir toutes leurs actions!
Zef / Sof 3:8 Therefore wait ye upon me, saith the Lord, until the day that I rise up to the prey: for my determination is to gather the nations, that I may assemble the kingdoms, to pour upon them mine indignation, even all my fierce anger: for all the earth shall be devoured with the fire of my jealousy. Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin' ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin' ireo, dia ny firehetan' ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon' ny afon' ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra. Koa andrasonareo aho, - teny marin' ny Tompo, amin' ny andro hitsanganako haka babo! Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena, hamoriako ny fanjakana, hanidinako ny fahatezerako amin' izy ireo, dia ny firehetan' ny fahatezerako rehetra. Fa ny afon' ny fahasarotam-piaroko no handevona ny tany rehetra. C' est pourquoi, attendez-moi - oracle de Yahvé - au jour où je me lèverai en accusateur; car j' ai décrété de réunir les nations, de rassembler les royaumes, pour déverser sur vous ma fureur, toute l' ardeur de ma colère. Car du feu de ma jalousie toute la terre sera dévorée.
Zef / Sof 3:9 For then will I turn to the people a pure language, that they may all call upon the name of the Lord, to serve him with one consent. Fa amin' izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan' izy rehetra ny anaran' i Jehovah, hanompoany Azy amin' ny firaisan-kina. Fa amin' izany ny firenena homeko molotra madio hiantsoan' izy rehetra ny anaran' ny Tompo sy hanompoany azy amim-piraisan-kina. Oui, je ferai alors aux peuples des lèvres pures, pour qu' ils puissent tous invoquer le nom de Yahvé et le servir sous un même joug.
Zef / Sof 3:10 From beyond the rivers of Ethiopia my suppliants, even the daughter of my dispersed, shall bring mine offering. Avy any an-dafin' ny onin' i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin' izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy. Avy any an-dafin' ny onin' i Etiopia ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko, hitondra ny fanatitra ho ahy. De l' autre rive des fleuves d'Éthiopie, mes suppliants m' apporteront mon offrande.
Zef / Sof 3:11 In that day shalt thou not be ashamed for all thy doings, wherein thou hast transgressed against me: for then I will take away out of the midst of thee them that rejoice in thy pride, and thou shalt no more be haughty because of my holy mountain. Amin' izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin' izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao. Amin' izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony, ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko; satria amin' izany hesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary hianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina. Ce jour-là tu n' auras plus honte de tous les méfaits que tu as commis contre moi, car j'écarterai de ton sein tes orgueilleux triomphants; et tu cesseras de te pavaner sur ma montagne sainte.
Zef / Sof 3:12 I will also leave in the midst of thee an afflicted and poor people, and they shall trust in the name of the Lord. Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran' i Jehovah no hialofany, Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray izay hatoky ny anaran' ny Tompo. Je ne laisserai subsister en ton sein qu' un peuple humble et modeste, et c' est dans le nom de Yahvé que cherchera refuge
Zef / Sof 3:13 The remnant of Israel shall not do iniquity, nor speak lies; neither shall a deceitful tongue be found in their mouth: for they shall feed and lie down, and none shall make them afraid. Ny sisa amin' ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy. Ny sisa amin' Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga, ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga. Fa hihinana sy handry fahizay izy ireo, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy. le reste d' Israël. Ils ne commettront plus d' iniquité, ils ne diront plus de mensonge; on ne trouvera plus dans leur bouche de langue trompeuse. Mais ils pourront paître et se reposer sans que personne les inquiète.
Zef / Sof 3:14 Sing, O daughter of Zion; shout, O Israel; be glad and rejoice with all the heart, O daughter of Jerusalem. Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin' ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. Mihobia, ry zanakavavin' i Siona! manaova feo firavoravoana, ry Israely! Mifalia sy mireharehà amin' ny fonao rehetra, ry zanakavavin' i Jerosalema. Pousse des cris de joie, fille de Sion! une clameur d' allégresse, Israël! Réjouis-toi, triomphe de tout ton coeur, fille de Jérusalem!
Zef / Sof 3:15 The Lord hath taken away thy judgments, he hath cast out thine enemy: the king of Israel, even the Lord, is in the midst of thee: thou shalt not see evil any more. Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan' ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin' ny Tompo, ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao. Iaveh, Mpanjakan' Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony hianao. Yahvé a levé la sentence qui pesait sur toi; il a détourné ton ennemi. Yahvé est roi d' Israël au milieu de toi. Tu n' as plus de malheur à craindre.
Zef / Sof 3:16 In that day it shall be said to Jerusalem, Fear thou not: and to Zion, Let not thine hands be slack. Amin' izany andro izany dia holazaina amin' i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. Amin' izany andro izany, izao no holazaina amin' i Jerosalema: Aza matahotra, ry Siona, ary aza miraviravy tànana! Ce jour-là, on dira à Jérusalem : Sois sans crainte, Sion! que tes mains ne défaillent pas!
Zef / Sof 3:17 The Lord thy God in the midst of thee is mighty; he will save, he will rejoice over thee with joy; he will rest in his love, he will joy over thee with singing. Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin' ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin' ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin' ny fihobiana Izy. Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina izy amin' ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin' ny hobin-kafaliana. Yahvé ton Dieu est au milieu de toi, héros sauveur! Il exultera pour toi de joie, il te renouvellera par son amour; il dansera pour toi avec des cris de joie,
Zef / Sof 3:18 I will gather them that are sorrowful for the solemn assembly, who are of thee, to whom the reproach of it was a burden. Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran' ny latsa izy. Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina; satria isan' ny anao ireny, itambesaran' ny latsa. comme aux jours de fête. J' ai écarté de toi le malheur, pour que tu ne portes plus l' opprobre.
Zef / Sof 3:19 Behold, at that time I will undo all that afflict thee: and I will save her that halteth, and gather her that was driven out; and I will get them praise and fame in every land where they have been put to shame. Indro, hasiako amin' Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin' ny tany rehetra. Amin' izany andro izany hofaranako ny amin' ny momba an' ireo rehetra mpampahory anao: Hovonjeko ikala mandringa, hangoniko ikala voaroaka, ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo, any amin' ny tany rehetra nanakorana azy. Me voici à l' oeuvre avec tous tes oppresseurs. En ce temps-là, je sauverai les éclopées, je rallierai les égarées, et je leur attirerai louange et renommée par toute la terre, quand j' accomplirai leur restauration.
Zef / Sof 3:20 At that time will I bring you again, even in the time that I gather you: for I will make you a name and a praise among all people of the earth, when I turn back your captivity before your eyes, saith the Lord. Amin' izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin' izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin' ny firenena rehetra amin' ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin' ny fahababoana ianareo, ka ho hitan' ny masonareo izany, hoy Jehovah. Amin' izany andro izany, hampodiko hianareo; ary amin' ny andro hanangonako anareo, hataoko malaza sy be voninahitra hianareo, any amin' ny firenena rehetra eto an-tany, rahefa hatsahatro ny fahavalonareo, eo imasonareo, hoy Iaveh. En ce temps-là, je vous guiderai, au temps où je vous rassemblerai; alors je vous donnerai louange et renommée parmi tous les peuples de la terre, quand j' accomplirai votre restauration sous vos yeux, dit Yahvé.

<-
->