<-
->

Nom / Fan 14:1 And all the congregation lifted up their voice, and cried; and the people wept that night. Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin' iny alina iny. Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra, ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny. Alors toute la communauté éleva la voix ; ils poussèrent des cris ; et cette nuit-là le peuple pleura.
Nom / Fan 14:2 And all the children of Israel murmured against Moses and against Aaron: and the whole congregation said unto them, Would God that we had died in the land of Egypt! or would God we had died in this wilderness! Dia nimonomonona tamin' i Mosesy sy Arona ny Zanak' Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin' ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatý amin' ity efitra ity! Nimonomonona tamin' i Moizy sy Aarona ny zanak' Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin' izy ireo: Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty aty amin' ity efitra ity. Tous les Israélites murmurèrent contre Moïse et Aaron, et la communauté tout entière leur dit : " Que ne sommes-nous morts au pays d'Égypte ! Que ne sommes-nous morts du moins en ce désert !
Nom / Fan 14:3 And wherefore hath the Lord brought us unto this land, to fall by the sword, that our wives and our children should be a prey? were it not better for us to return into Egypt? Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin' ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va? Nahoana no dia nentin' ny Tompo amin' ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika holasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta? Pourquoi Yahvé nous mène-t-il en ce pays pour nous faire tomber sous l'épée, pour livrer en butin nos femmes et nos enfants ? Ne vaudrait-il pas mieux retourner en Égypte ? "
Nom / Fan 14:4 And they said one to another, Let us make a captain, and let us return into Egypt. Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta. Dia nifampilaza hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika, ka hiverina any Ejipta. Et ils se disaient l' un à l' autre : " Donnons-nous un chef et retournons en Égypte. "
Nom / Fan 14:5 Then Moses and Aaron fell on their faces before all the assembly of the congregation of the children of Israel. Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan' ny fivorian' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra. Nidaboka niankohoka teo anatrehan' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra tafavory Moizy sy Aarona. Devant toute la communauté assemblée des Israélites, Moïse et Aaron tombèrent la face contre terre.
Nom / Fan 14:6 And Joshua the son of Nun, and Caleb the son of Jephunneh, which were of them that searched the land, rent their clothes: Ary Josoa, zanak' i Nona, sy Kaleba, zanak' i Jefone, izay isan' ny nisafo ny tany, dia nandriatra ny fitafiany; Nandritra ny fitafiany Josoe, zanak' i Nòna, sy Kaleba, zanak' i Jefone, anisan' ireo nisafo ny tany, De ceux qui avaient exploré le pays, Josué, fils de Nûn, et Caleb, fils de Yephunné, déchirèrent leurs vêtements.
Nom / Fan 14:7 And they spake unto all the company of the children of Israel, saying, The land, which we passed through to search it, is an exceeding good land. ary niteny tamin' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, izy roa lahy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. ary niteny toy izao tamin' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra izy ireo: Tany tsara indrindra ny tany notetezinay nosafoina. Ils dirent à toute la communauté des Israélites : " Le pays que nous sommes allés reconnaître est un bon, un très bon pays.
Nom / Fan 14:8 If the Lord delight in us, then he will bring us into this land, and give it us; a land which floweth with milk and honey. Raha sitrak' i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin' izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Raha ankasitrahan' ny Tompo isika, dia hampiditra antsika amin' izany tany izany izany izy sy hanome azy antsika; tany tondra-dronono aman-tantely izany. Si Yahvé nous est favorable, il nous fera entrer en ce pays et nous le donnera. C' est une terre qui ruisselle de lait et de miel.
Nom / Fan 14:9 Only rebel not ye against the Lord, neither fear ye the people of the land; for they are bread for us: their defence is departed from them, and the Lord is with us: fear them not. Fa aza miodina amin' i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo. Fa aza miodina amin' ny Tompo kosa hianareo, ary aza matahotra ny olona amin' izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan' izy ireo efa niala taminy, ary isika omban' ny Tompo, ka aza matahotra azy ireo. Mais ne regimbez pas contre Yahvé. Et n' ayez pas peur, vous, du peuple de ce pays, car nous n' en ferons qu' une bouchée. Leur ombre protectrice les a quittés, tandis que Yahvé est avec nous. N' en ayez donc pas peur.
Nom / Fan 14:10 But all the congregation bade stone them with stones. And the glory of the Lord appeared in the tabernacle of the congregation before all the children of Israel. Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy. Kanjo ny voninahitr' i Jehovah niseho teo amin' ny trano-lay fihaonana, teo anatrehan' ny Zanak' Isiraely rehetra. Raha ilay niteniteny ny hitora-bato an' ireo iny ny fiangonana rehetra dia indro ny voninahitry ny Tompo niseho teo amin' ny trano lay fihaonana, teo imason' ny zanak' Israely rehetra. La communauté tout entière parlait de les lapider quand la gloire de Yahvé apparut, dans la Tente du Rendez-vous, à tous les Israélites.
Nom / Fan 14:11 And the Lord said unto Moses, How long will this people provoke me? and how long will it be ere they believe me, for all the signs which I have shewed among them? Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian' ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandra-pahoviana no haniratsiran' ity vahoaka ity ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany? Et Yahvé dit à Moïse :" Jusques à quand ce peuple va-t-il me mépriser ? Jusques à quand refusera-t-il de croire en moi, malgré les signes que j' ai produits chez lui ?
Nom / Fan 14:12 I will smite them with the pestilence, and disinherit them, and will make of thee a greater nation and mightier than they. Hamely azy amin' ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa. Hasiako amin' ny pesta sy hofongorako izy, ary hianao, dia hataoko firenena lehibe sy mahery lavitra noho izy. Je vais le frapper de la peste, je le déposséderai. Mais de toi, je ferai une nation, plus grande et plus puissante que lui. "
Nom / Fan 14:13 And Moses said unto the Lord, Then the Egyptians shall hear it, (for thou broughtest up this people in thy might from among them;) Dia hoy Mosesy tamin' i Jehovah: Dia ho ren' ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy, Fa hoy Moizy tamin' ny Tompo: Efa ren' ny Ejipsianina, fa ny herinao no nitondranao ity vahoaka ity niakatra avy tany afovoany; ary efa nolazainy tamin' ny mponina amin' ity tany ity izany. Moïse répondit à Yahvé :" Mais les Égyptiens ont appris que, par ta propre force, tu as fait sortir de chez eux ce peuple.
Nom / Fan 14:14 And they will tell it to the inhabitants of this land: for they have heard that thou Lord art among this people, that thou Lord art seen face to face, and that thy cloud standeth over them, and that thou goest before them, by day time in a pillar of a cloud, and in a pillar of fire by night. ary holazainy amin' ny monina eo amin' ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin' ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin' ny andri-rahona nony andro, ary amin' ny andri-afo nony alina. Efa ren' izy ireo, fa hianao Iaveh no eo afovoan' ity vahoaka ity, hianao Iaveh no miseho mifanatrika ao; ary ny rahonao no mijanona eo amboniny. Hianao no mandeha eo alohany, amin' ny andry rahona, ny antoandro, ary amin' ny andry afo, ny alina. Ils l' ont dit aux habitants de ce pays. Ils ont appris que toi, Yahvé, tu es au milieu de ce peuple, à qui tu te fais voir face à face ; que c' est toi, Yahvé, dont la nuée se tient au-dessus d' eux ; que tu marches devant eux le jour dans une colonne de nuée, la nuit dans une colonne de feu.
Nom / Fan 14:15 Now if thou shalt kill all this people as one man, then the nations which have heard the fame of thee will speak, saying, Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe: Koa raha vonoinao toy ny singan' olona ity vahoaka ity, ny firenena izay nandre filazana momba anao dia hanao hoe: Si tu fais périr ce peuple comme un seul homme, les nations qui ont entendu parler de toi s' en vont dire :
Nom / Fan 14:16 Because the Lord was not able to bring this people into the land which he sware unto them, therefore he hath slain them in the wilderness. Satria tsy zakan' i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin' ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy. Tsy zakan' ny Tompo ny nampiditra iny vahoaka iny amin' ny tany efa nianianany homena azy, ka izany no namonoany azy tany an' efitra. "Yahvé n' a pas pu faire entrer ce peuple dans le pays qu' il lui avait promis par serment, aussi l' a-t-il massacré au désert. "
Nom / Fan 14:17 And now, I beseech thee, let the power of my Lord be great, according as thou hast spoken, saying, Ary ankehitriny, aoka hiseho ny halehiben' ny herin' ny Tompo, araka ilay teninao hoe: Koa ankehitriny, aoka hiseho ho lehibe ny fahefan' ny Tompo, araka ilay voalazanao hoe: Non, que maintenant ta force, mon Seigneur, se déploie ! Selon ta parole :
Nom / Fan 14:18 The Lord is longsuffering, and of great mercy, forgiving iniquity and transgression, and by no means clearing the guilty, visiting the iniquity of the fathers upon the children unto the third and fourth generation. Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin' ny zanaka hatramin' ny zafiafy sy ny zafindohalika. Ela vao mitezitra Iaveh, ary sesehena ny hatsaram-pony: mamela ny heloka sy ny fahotana izy, nefa tsy ataony ho tsy manan-tsiny ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin' ny zanaka, hatramin' ny taranaka fahatelo sy fahefatra. "Yahvé est lent à la colère et riche en bonté, il tolère faute et transgression, mais il ne laisse rien impuni, lui qui châtie la faute des pères sur les enfants jusqu'à la troisième et la quatrième génération. "
Nom / Fan 14:19 Pardon, I beseech thee, the iniquity of this people according unto the greatness of thy mercy, and as thou hast forgiven this people, from Egypt even until now. Mifona aminao aho, mamelà ny helok' ity firenena ity araka ny halehiben' ny famindram-ponao, sy araka ny namelanao ny helok' ity firenena ity hatrany Egypta ka mandraka ankehitriny. Avelao ny helok' ity vahoaka ity, araka ny halehiben' ny famindramponao toy ny efa namelanao an' ity vahoaka ity, hatrany Ejipta ka hatr' eto! Pardonne donc la faute de ce peuple selon la grandeur de ta bonté, tout comme tu l' as traité depuis l'Égypte jusqu' ici.
Nom / Fan 14:20 And the Lord said, I have pardoned according to thy word: Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany. Ary hoy Iaveh: Mamela araka ny hatakao aho; Yahvé dit : " Je lui pardonne, comme tu l' as dit.
Nom / Fan 14:21 But as truly as I live, all the earth shall be filled with the glory of the Lord. Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr' i Jehovah ny tany rehetra, kanefa velona aho, ary ho feno ny voninahitry ny Tompo ny tany rehetra! Mais - je suis vivant ! et la gloire de Yahvé remplit toute la terre ! -
Nom / Fan 14:22 Because all those men which have seen my glory, and my miracles, which I did in Egypt and in the wilderness, and have tempted me now these ten times, and have not hearkened to my voice; ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko, Ka ireo olona rehetra nahita ny voninahitro amam-pahagagana nataoko tany Ejipta sy tany an' efitra; ireo izay efa naka fanahy ahy impolo sahady, sady tsy nihaino ny feoko, tous ces hommes qui ont vu ma gloire et les signes que j' ai produits en Égypte et au désert, ces hommes qui m' ont déjà dix fois mis à l'épreuve sans obéir à ma voix,
Nom / Fan 14:23 Surely they shall not see the land which I sware unto their fathers, neither shall any of them that provoked me see it: dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin' ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany. dia tsy hahita mihitsy ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana. Tsy misy hahita izany ireo naniratsira ahy ireo. ne verront pas le pays que j' ai promis par serment à leurs pères. Aucun de ceux qui me méprisent ne le verra.
Nom / Fan 14:24 But my servant Caleb, because he had another spirit with him, and hath followed me fully, him will I bring into the land whereinto he went; and his seed shall possess it. Fa ny amin' i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin' ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin' ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany. Fa i Kaleba mpanompoko kosa, izay nanana hevitra hafa, ary niraikitra tsy nivadika tamiko, dia hampidiriko any amin' ny tany efa nalehany, ary hanana izany ny taranany. Mais mon serviteur Caleb, puisqu' un autre esprit l' a animé et qu' il m' a parfaitement obéi, je le ferai entrer dans le pays où il est allé, et sa descendance le possédera.
Nom / Fan 14:25 (Now the Amalekites and the Canaanites dwelt in the valley.) Tomorrow turn you, and get you into the wilderness by the way of the Red sea. Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin' ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin' ny lalana mankany amin' ny Ranomasina Mena. Ny Amalesita sy ny Kananeana no monina amin' ny lohasaha; koa rahampitso mihodìna hianareo ary miaingà ho any an' efitra amin' ny làlan' ny ranomasina Mena. Les Amalécites et les Cananéens habitent dans la plaine. Demain, faites demi-tour et retournez au désert, dans la direction de la mer de Suph. "
Nom / Fan 14:26 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron. Il dit :
Nom / Fan 14:27 How long shall I bear with this evil congregation, which murmur against me? I have heard the murmurings of the children of Israel, which they murmur against me. Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin' izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan' ny Zanak' Isiraely, izay imonomononany amiko. Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity? Reko ny fimonomononana ataon' ny zanak' Israely amiko. " Jusques à quand cette communauté perverse qui murmure contre moi ? J' ai entendu les plaintes que murmurent contre moi les Israélites.
Nom / Fan 14:28 Say unto them, As truly as I live, saith the Lord, as ye have spoken in mine ears, so will I do to you: Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo: Lazao amin' izy ireo hoe: Velona aho, hoy Iaveh; hataoko aminareo izay noteneninareo tamin' ny sofiko. Dis-leur : Par ma vie - oracle de Yahvé - je vous traiterai selon les paroles mêmes que vous avez prononcées à mes oreilles.
Nom / Fan 14:29 Your carcases shall fall in this wilderness; and all that were numbered of you, according to your whole number, from twenty years old and upward which have murmured against me. Etý amin' ity efitra ity no hiampatramparan' ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko, Hiampatrampatra amin' ity efitra ity ny fatinareo. Hianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko, Vos cadavres tomberont dans ce désert, vous tous les recensés, vous tous qu' on a dénombrés depuis l'âge de vingt ans et au-dessus, vous qui avez murmuré contre moi.
Nom / Fan 14:30 Doubtless ye shall not come into the land, concerning which I sware to make you dwell therein, save Caleb the son of Jephunneh, and Joshua the son of Nun. dia tsy ho tonga mihitsy any amin' ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak' i Jefone, sy Josoa, zanak' i Nona. dia tsy hisy hiditra amin' ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak' i Jefone, sy Josoe zanak' i Nòna. Je jure que vous n' entrerez pas dans ce pays où, levant la main, j' avais fait serment de vous établir. Mais c' est Caleb, fils de Yephunné, c' est Josué, fils de Nûn,
Nom / Fan 14:31 But your little ones, which ye said should be a prey, them will I bring in, and they shall know the land which ye have despised. Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo. Fa ny zanakareo, izay nolazainareo hoe ho lasan-ko babo, no hampidiriko any; dia izy ireo no hahalala ny tany izay nataonareo tsinontsinona. ce sont vos petits enfants dont vous avez dit qu' ils seraient livrés en butin, ce sont eux que j' y ferai entrer et qui connaîtront le pays que vous avez dédaigné.
Nom / Fan 14:32 But as for you, your carcases, they shall fall in this wilderness. Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin' ity efitra ity ny fatinareo; Ny anareo kosa, dia ny fatinareo no hiampatrampatra any an' efitra, Pour vous, vos cadavres tomberont dans ce désert,
Nom / Fan 14:33 And your children shall wander in the wilderness forty years, and bear your whoredoms, until your carcases be wasted in the wilderness. ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atý an-efitra efa-polo taona ka hiharan' ny valin' ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atý an-efitra. ary ny zanakareo hiroaka ny biby fiompy any an' efitra, mandritra ny efapolo taona, fa hivesatra ny valin' ny fivadihanareo izy mandra-pahalevona ny fatinareo rehetra aty an' efitra. et vos fils seront nomades dans le désert pendant quarante ans, portant le poids de votre infidélité, jusqu'à ce que vos cadavres soient au complet dans le désert.
Nom / Fan 14:34 After the number of the days in which ye searched the land, even forty days, each day for a year, shall ye bear your iniquities, even forty years, and ye shall know my breach of promise. Araka ny isan' ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo. Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany - fa soloana taona iray ny andro iray, - no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo, ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo. Vous avez reconnu le pays pendant quarante jours. Chaque jour vaut une année : quarante ans vous porterez le poids de vos fautes, et vous saurez ce que c' est que m' abandonner.
Nom / Fan 14:35 I the Lord have said, I will surely do it unto all this evil congregation, that are gathered together against me: in this wilderness they shall be consumed, and there they shall die. Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin' izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etý amin' ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etý no hahafatesany. Izany no teniko, izaho Iaveh. Izany no ataoko amin' ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko. Ho levona aty an' efitra aty izy, ho faty aty. J' ai parlé, moi, Yahvé ; c' est ainsi que je traiterai toute cette communauté perverse réunie contre moi. Dans ce désert même il n' en manquera pas un, c' est là qu' ils mourront. "
Nom / Fan 14:36 And the men, which Moses sent to search the land, who returned, and made all the congregation to murmur against him, by bringing up a slander upon the land, Ary ny lehilahy izay nirahin' 1 Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin' i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy, Ireo lehilahy nirahin' i Moizy hisafo ny tany, ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra taminy nony tafaverina, fa nanao laza ratsy ny tany, Ces hommes que Moïse avait envoyés reconnaître le pays et qui, à leur retour, avaient excité toute la communauté d' Israël à murmurer contre lui en décriant le pays,
Nom / Fan 14:37 Even those men that did bring up the evil report upon the land, died by the plague before the Lord. dia matin' ny areti-mandringana teo anatrehan' i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny. ireo lehilahy ireo izay nanao laza ratsy ny tany dia maty voan' ny loza teo anatrehan' ny Tompo. ces hommes qui décriaient malignement le pays furent frappés de mort devant Yahvé.
Nom / Fan 14:38 But Joshua the son of Nun, and Caleb the son of Jephunneh, which were of the men that went to search the land, lived still. Fa Josoa, zanak' i Nona, sy Kaleba, zanak' i Jefone, kosa, izay isan' ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany. Josoe zanak' i Nòna sy Kaleba zanak' i Jefone ihany no velona tamin' ireo lehilahy nisafo ny tany. Des hommes qui étaient allés reconnaître le pays, seuls Josué, fils de Nûn, et Caleb, fils de Yephunné, restèrent en vie.
Nom / Fan 14:39 And Moses told these sayings unto all the children of Israel: and the people mourned greatly. Dia nolazain' i Mosesy tamin' ny Zanak' Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terý ny olona. Dia nolazain' i Moizy tamin' ny zanak' Israely rehetra izany teny izany, ka safotr' alahelo mafy ny vahoaka. Moïse rapporta ces paroles à tous les Israélites et le peuple fit de grandes lamentations.
Nom / Fan 14:40 And they rose up early in the morning, and gat them up into the top of the mountain, saying, Lo, we be here, and will go up unto the place which the Lord hath promised: for we have sinned. Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon' ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin' ny tany izay nolazain' i Jehovah, fa efa nanota izahay. Nifoha maraina koa izy ireo, ka niakatra tany an-tampon' ny tendrombohitra, ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra any amin' ny fitoerana voalazan' ny Tompo, fa efa nanota izahay. Puis, s'étant levés de bon matin, ils montèrent vers le sommet de la montagne, en disant : " Nous voici qui montons vers ce lieu, à propos duquel Yahvé a dit que nous avions péché. "
Nom / Fan 14:41 And Moses said, Wherefore now do ye transgress the commandment of the Lord? but it shall not prosper. Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin' i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany. Hoy Moizy: Nahoana hianareo no mandika ny didin' ny Tompo? Tsy hahomby hianareo amin' izany. Moïse répondit : " Pourquoi transgressez-vous l' ordre de Yahvé ? Cela ne réussira pas.
Nom / Fan 14:42 Go not up, for the Lord is not among you; that ye be not smitten before your enemies. Aza miakatra, fa tsy momba anareo Jehovah, Aza miakatra, fa tsy eo afovoanareo Iaveh, ka aza mitolo-batana ho resin' ny fahavalonareo. Ne montez point, car Yahvé n' est pas au milieu de vous ; ne vous faites pas battre par vos ennemis.
Nom / Fan 14:43 For the Amalekites and the Canaanites are there before you, and ye shall fall by the sword: because ye are turned away from the Lord, therefore the Lord will not be with you. fandrao ho resy eo anoloan' ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin' ny fanarahana an' i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy. Eo anoloanareo eo ny Amalesita sy ny Kananeana, ka ho lavon' ny sabatra hianareo, satria nivily tsy hanaraka an' ny Tompo hianareo, ka tsy homba anareo Iaveh. Oui, les Amalécites et les Cananéens sont là en face de vous, et vous tomberez sous l'épée, parce que vous vous êtes détournés de Yahvé et que Yahvé n' est pas avec vous. "
Nom / Fan 14:44 But they presumed to go up unto the hill top: nevertheless the ark of the covenant of the Lord, and Moses, departed not out of the camp. Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon' ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran' ny faneken' i Jehovah tsy niala teo an-toby. Nanao ditra niakatra teo an-tampon' ny tendrombohitra ihany izy ireo, nefa ny fiaran' ny faneken' ny Tompo ary Moizy tsy niala teo afovoan' ny toby; Ils montèrent pourtant, dans leur présomption, au sommet de la montagne. Ni l' arche de l' alliance de Yahvé ni Moïse ne quittèrent le camp.
Nom / Fan 14:45 Then the Amalekites came down, and the Canaanites which dwelt in that hill, and smote them, and discomfited them, even unto Hormah. Dia nidina ny Amalekita sy ny Kananita, izay nonina teo amin' izany tendrombohitra izany, ka namely azy ary nanorotoro azy hatrany Horma. ka nirotsahan' ny Amalesita sy ny Kananeana izay nonina tamin' izany tendrombohitra izany izy, dia nasiany sy nataony lambam-bary hatrany Hormà. Les Amalécites et les Cananéens qui habitaient cette montagne descendirent, les battirent et les taillèrent en pièces jusqu'à Horma.

<-
->