<-
->

Bar 2:1 Izany no nanatanterahan' ny Tompo Andriamanitsika ny teniny, izay voalazany hamelezana antsika, na ny mpitsara izay nitsara an' Israely, na ny mpanjakantsika amam-panapaka antsika, na ny olona rehetra amin' Israely sy Jodà. Aussi le Seigneur a-t-il accompli la parole qu' il avait prononcée contre nous, contre nos juges qui gouvernèrent Israël, contre nos rois et nos chefs, contre les gens d' Israël et de Juda;
Bar 2:2 Nandrahonany antsika, fa hahatonga loza lehibe amintsika izy, dia loza tsy mbola nisy toa azy taty ambanin' ny lanitra rehetra; araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Moizy, araka izay efa niseho tokoa tany Jerosalema, sous l' immensité du ciel ne se produisit jamais rien de semblable à ce qu' il fit à Jérusalem, selon ce qui était écrit dans la Loi de Moïse
Bar 2:3 fa hoe: samy hihinana ny nofon' ny zanany lahy isika, sy ny nofon' ny zanany vavy avy. nous en arrivâmes à manger chacun la chair de son fils, chacun la chair de sa fille.
Bar 2:4 Ary napetrany eo ambanin' ny tànan' ny mpanjaka rehetra manodidina antsika izy ireo, mba ho fandatsa sy fitalanjonan' ny firenena rehetra, amin' izay namelezan' ny Tompo antsika. De plus, il les a mis au pouvoir de tous les royaumes qui nous entourent, pour être un opprobre et une exécration parmi tous les peuples d' alentour où le Seigneur les dispersa.
Bar 2:5 Ka isika natao hanapaka, no tonga mpanoa; satria nanota tamin' ny Tompo Andriamanitsika, tamin' ny tsy nanekentsika ny feony. Ils furent assujettis au lieu d'être maîtres, parce que nous avions offensé le Seigneur notre Dieu, en n'écoutant point sa voix.
Bar 2:6 An' ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana, fa ny henatra manafotra ny tarehy no antsika sy ny razantsika, araka izao hita izao. Au Seigneur notre Dieu la justice, mais pour nous et pour nos pères la honte au visage, comme il en est aujourd' hui.
Bar 2:7 Ireo loza rehetra voalazan' ny Tompo ny amin' ny momba antsika, tonga tamintsika avokoa izao. Tous ces malheurs que le Seigneur avait énoncés contre nous sont venus sur nous.
Bar 2:8 Ary tsy mba nivavaka tamin' ny tavan' ny Tompo akory isika, hampiverenany antsika hiala amin' ny hevitry ny fontsika ratsy. Nous n' avons pas supplié la face du Seigneur, chacun de nous se détournant des pensées de son coeur mauvais
Bar 2:9 Koa notandreman' ny Tompo ny loza, ka nampihaviany hanjo antsika; satria marina ny Tompo, tamin' ny asa rehetra nandidiany antsika. alors le Seigneur a veillé sur ces malheurs et les a amenés sur nous; car le Seigneur est juste en toutes les oeuvres qu' il nous a commandées,
Bar 2:10 Ary isika tsy nihaino ny feony, tsy nitandrina ny didin' ny Tompo, izay nataony teo anoloantsika. et nous n' avons pas écouté sa voix en marchant selon les ordres que le Seigneur avait mis devant nous.
Bar 2:11 Ary ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitr' Israely, izay nitondra ny vahoakanao niala tany amin' ny tany Ejipta, tamin' ny tànana mahery, sy tamim-pahagagana amam-pamantarana, tamin' ny fahefana lehibe aman-tsandry nahinjitra, sady nampanan-daza ny anaranao, araka izao hita anio izao: Et maintenant, Seigneur, Dieu d' Israël, toi qui tiras ton peuple du pays d' Egypte à main forte, par signes et miracles, par grande puissance et bras étendu, te faisant de la sorte un nom comme il en est aujourd' hui,
Bar 2:12 Nanota izahay, nanao asa manohatra ny fivavahana izahay, nanao ny tsy marina izahay, ry Tompo Andriamanitray, amin' ny mikasika ny didinao rehetra. nous avons péché, nous avons été impies, nous avons été injustes, Seigneur notre Dieu, pour tous tes préceptes.
Bar 2:13 Aoka mba ho afaka aminay ny hatezeranao, fa efa sisany kely foana izahay eny amin' ny firenena nanelezanao anay! Que ta colère se détourne de nous, puisque nous ne sommes plus qu' un petit reste parmi les nations où tu nous dispersas.
Bar 2:14 Tompo ô, henoy ny vavakay amam-pifonanay. Vonjeo izahay noho ny amin' ny tenanao, ary ataovy mahita fitia eo imason' ireo nitondra anay ho babo izahay, Ecoute, Seigneur, notre prière et notre supplication délivre-nous à cause de toi-même, et fais-nous trouver grâce devant ceux qui nous ont déportés,
Bar 2:15 mba hahalalan' ny tany rehetra fa Tompo Andriamanitray hianao, satria ny anaranao efa voaantso amin' Israely sy ny taranany. afin que la terre entière sache que tu es le Seigneur, notre Dieu, puisqu' Israël et sa race portent ton Nom.
Bar 2:16 Tompo ô, aoka hianao hitsinjo avy any amin' ny fonenanao masina, ka hihevitra anay, aoka hanongilan-tsofina sy hihaino anay; Seigneur, regarde de ta demeure sainte, et pense à nous, tends l' oreille et écoute,
Bar 2:17 sokafy ny masonao, ka jereo: Tsy mba ny maty izay any amin' ny seoly, izay efa niala tao anatiny ny fanahiny, no manome voninahitra ny Tompo sy mankatò azy, ouvre les yeux, Seigneur, et vois; ce ne sont pas les morts dans le shéol, ceux dont le souffle fut enlevé des entrailles, qui rendent gloire et justice au Seigneur;
Bar 2:18 fa ny velona, izay malahelo noho ny haben' ny loza manjo azy, izay mandeha mitanondrika sady lany hery, izay mavozovozo ny masony sy efa noana ny fanahiny, dia izy io no manome voninahitra anao, ry Tompo, sy mankatò anao. mais l'âme comblée d' affliction, celui qui chemine courbé et sans force, les yeux défaillants et l'âme affamée, voilà ce qui te rend gloire et justice, Seigneur!
Bar 2:19 Tsy mba noho ny fahamarinan' ny razanay amam-panjakanay anefa, no anamparanay ny fivavahanay eo anatrehanao, ry Tompo Andriamanitray. Nous ne nous appuyons pas sur les mérites de nos pères et de nos rois pour déposer notre supplication devant ta face, Seigneur notre Dieu.
Bar 2:20 Fa efa nalefanao hamely anay ny fahatezeranao amam-pahaviniranao, araka ny efa voalazanao tamin' ny vavan' ny mpaminany, mpanomponao; nataonao hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Car tu as envoyé sur nous ta colère et ta fureur, comme tu l' avais proclamé par le ministère de tes serviteurs les prophètes, en ces termes
Bar 2:21 Aondreho ny sorokareo sy ny vozonareo, ka manompoa ny mpanjakan' i Babilona, dia honina eo amin' ny tany nomeko ny razanareo hianareo. "Ainsi parle le Seigneur : Inclinez votre nuque et servez le roi de Babylone; alors, vous resterez au pays que j' ai donné à vos pères.
Bar 2:22 Fa raha tsy mety mihaino ny feon' ny Tompo Andriamanitrareo hianareo, amin' ny fanompoana ny mpanjakan' i Babilona, Mais si vous n'écoutez pas l' invitation du Seigneur à servir le roi de Babylone,
Bar 2:23 dia hatsahatro eo amin' ny tanànan' i Jodà sy any ivelan' i Jerosalema, ny hira fifaliana sy ny hira firavoravoana, ny hiran' ny mpampakatra sy ny hiran' ny ampakarina, ary ho tonga efitra tsy misy mponina avokoa ny tany rehetra. je ferai cesser, aux villes de Juda et à Jérusalem, le chant de joie et le chant d' allégresse, le chant du fiancé et le chant de la fiancée, et tout le pays deviendra une désolation, sans habitants."
Bar 2:24 Tsy nety nihaino ny feonao izahay, amin' ny fanompoana ny mpanjakan' i Babilona, ka dia notanterahanao ny teninao voatonon' ny vavan' ny mpaminany mpanomponao: nilaza fa ny taolan' ny mpanjakantsika, sy ny taolan' ny razantsika, hesorina hiala ao am-pasany. Mais nous n' avons pas écouté ton invitation à servir le roi de Babylone, alors tu as accompli les paroles que tu avais prononcées par le ministère de tes serviteurs les prophètes que les os de nos rois et les os de nos pères seraient arrachés de leur lieu.
Bar 2:25 Ka indro fa natsipy teny ambonin' ny tany tokoa izany, nahahy tamin' ny hafanan' ny masoandro sy ny hatsiaky ny alina; ary ny razanay dia maty tamin' ny fijaliana mangidy, dia matin' ny hanoanana, ny sabatra, mbamin' ny pesta. Voici qu' en effet ils furent jetés dehors à la chaleur du jour et au froid de la nuit. Et l' on mourut au milieu de terribles misères, par la famine, l'épée et la peste.
Bar 2:26 Ny trano izay niantsoana ny anaranao, naetrinao amin' izao toetrany ankehitriny izao, noho ny haratsian' ny taranak' Israely aman-taranak' i Jodà. Et tu fis de cette maison, qui porte ton Nom, ce qu' elle est aujourd' hui, à cause de la méchanceté de la maison d' Israël et de la maison de Juda.
Bar 2:27 Izay nataonao taminay, ry Tompo Andriamanitray ô, dia araka ny hatsaram-ponao rehetra, sy araka ny famindram-ponao lehibe rehetra, Pourtant, tu as agi envers nous, Seigneur notre Dieu, selon toute ton indulgence et ton immense tendresse,
Bar 2:28 araka ny nambaranao tamin' ny vavan' i Moizy mpanomponao, tamin' ny andro nandidianao azy hanoratra ny lalànao teo anatrehan' ny zanak' Israely, comme tu l' avais déclaré par le ministère de ton serviteur Moïse, le jour où tu lui commandas d'écrire ta Loi en présence des Israélites, en ces termes
Bar 2:29 nataonao hoe: Raha tsy mihaino ny feoko hianareo, izao olona zavon-tany be izao dia hampanjariako vitsy dia vitsy, any amin' ny firenena hampielezako azy. "Si vous n'écoutez pas ma voix, cette immense et innombrable multitude elle-même sera réduite à un petit nombre parmi les nations où je les disperserai,
Bar 2:30 Fa fantatro fa tsy hihaino ahy izy ireo satria vahoaka mafy loha izy. Handinika ao am-pony anefa izy, any amin' ny tany fahababoany, car je sais qu' ils ne m'écouteront point; c' est un peuple à la nuque raide. Mais dans le pays de leur exil, ils rentreront en eux-mêmes
Bar 2:31 ka hahalala fa izaho no Tompo Andriamaniny ary homeko fo mahalala izy, sy sofina mahahaino. et connaîtront que je suis le Seigneur leur Dieu. Je leur donnerai un coeur et des oreilles qui entendent.
Bar 2:32 Dia hidera ahy any amin' ny tany fahababoana izy, sy hahatsiaro ny anarako. Ils me loueront au pays de leur exil, ils se souviendront de mon nom;
Bar 2:33 Ary handa tsy ho mafy hatoka intsony izy, sy tsy hanaraka ny foto-keviny mamohehatra, satria hahatsiahy ny nanjo ny razany, izay nanota teo anatrehan' ny Tompo. ils n' auront plus la nuque raide et se détourneront de leurs mauvaises actions, se rappelant le destin de leurs pères qui ont péché devant le Seigneur.
Bar 2:34 Koa hampodiko izy ho any amin' ny tany efa nianianako nampanantenaina ny razany, dia Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, ka izy ireo no ho tompon' izany; ary hahamaro azy aho, ka tsy hihavitsy izy. Alors je les ramènerai au pays que j' ai promis par serment à leurs pères Abraham, Isaac et Jacob, et ils y seront maîtres. Je les multiplierai et ils ne seront plus diminués.
Bar 2:35 Hanao fanekena mandrakizay amin' izy ireo aho, mba ho Andriamaniny aho, ary mba ho vahoakako izy ireo, ka tsy handroaka an' Israely vahoakako intsony hiala amin' ny tany efa nomeko azy. Pour eux, j'établirai une alliance éternelle; je serai leur Dieu et ils seront mon peuple. Et je ne repousserai plus mon peuple Israël du pays que je leur ai donné."

<-
->