<-
->

Fit 2:1 How hath the Lord covered the daughter of Zion with a cloud in his anger, and cast down from heaven unto the earth the beauty of Israel, and remembered not his footstool in the day of his anger! Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan' ny Tompo rahona amin' ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin' ny tany ny reharehan' ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin' ny andro fahatezerany! ALEPH Ahoana re no nanaronan' ny Tompo rahona, noho ny fahatezerany ny zanakavavin' i Siona? Navariny aman-tany avy any an-danitra, ny hatsarana kanton' Israely, tsy tsaroany intsony ity fitoeran-tongony, tamin' ny andro fahatezerany rehetra. Quoi! Le Seigneur en sa colère a enténébré la fille de Sion! il a précipité du ciel sur la terre la gloire d' Israël! sans plus se souvenir de son marchepied, au jour de sa colère!
Fit 2:2 The Lord hath swallowed up all the habitations of Jacob, and hath not pitied: he hath thrown down in his wrath the strong holds of the daughter of Judah; he hath brought them down to the ground: he hath polluted the kingdom and the princes thereof. Nolevonin' ny Tompo ny fonenan' i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan' i Joda zanakavavy ka nazerany tamin' ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka, BETH Noravan' ny Tompo, tsy nananany antra, ny fonenan' i Jakoba rehetra. Narodany tamin' ny hatezerany ny mandan' ny zanakavavin' i Jodà. Nazerany amin' ny tany ireo; nohamavoiny ny fanjakana amam-panjaka. Sans pitié le Seigneur a détruit toutes les demeures de Jacob; il a renversé, en sa fureur, les forteresses de la fille de Juda; il a jeté à terre, il a maudit le royaume et ses princes.
Fit 2:3 He hath cut off in his fierce anger all the horn of Israel: he hath drawn back his right hand from before the enemy, and he burned against Jacob like a flaming fire, which devoureth round about. Nokapainy tamin' ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan' ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an' i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina. GHIMEL Noho ny fahatezerany mirehitra notapahany avokoa ny herin' Israely; ny tànany ankavanana, nahemony teo anoloan' ny fahavalony; toy ny afo midedadeda no narehiny tao amin' i Jakoba, mandevona ny manodidina rehetra. Il a brisé dans l' ardeur de sa colère toute la vigueur d' Israël, retiré en arrière sa droite devant l' ennemi; il a allumé en Jacob un feu flamboyant qui dévore tout alentour.
Fit 2:4 He hath bent his bow like an enemy: he stood with his right hand as an adversary, and slew all that were pleasant to the eye in the tabernacle of the daughter of Zion: he poured out his fury like fire. Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin' ny lain' i Ziona zanakavavy. DALETH Nanenja-tsipìka toy ny ataon' ny fahavalo izy ary naninjitra ny tànany ankavanana, toy ny mpanani-bohitra; ka naripany avokoa izay nahafinaritra ny maso; tamin' ny lain' ny zanakavavin' i Siona naidiny toy ny afo ny fahatezerany. Il a bandé son arc, comme un ennemi, il a assuré sa droite, il a égorgé, tel un adversaire tous ceux qui charmaient les yeux; sur la tente de la fille de Sion il a déversé sa fureur comme un feu.
Fit 2:5 The Lord was as an enemy: he hath swallowed up Israel, he hath swallowed up all her palaces: he hath destroyed his strong holds, and hath increased in the daughter of Judah mourning and lamentation. Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona ny Isiraely. Eny, nolevoniny ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan' i Joda zanakavavy. HE Nanao toy ny fahavalo ny Tompo: Israely noravany; ny lapany noravany avokoa; ny mandany narodany; ny fijalian' ny zanakavavin' i Siona notongoaviny fijaliana. Le Seigneur a été comme un ennemi; il a détruit Israël, il a détruit tous ses palais, abattu ses forteresses et multiplié pour la fille de Juda gémissements et gémissements. .
Fit 2:6 And he hath violently taken away his tabernacle, as if it were of a garden: he hath destroyed his places of the assembly: the Lord hath caused the solemn feasts and sabbaths to be forgotten in Zion, and hath despised in the indignation of his anger the king and the priest. Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon' i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin' ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona. VAV Nidirany an-kery ny fefiny, toy ny tanimboly; noravany ny fitoerany masina. Nataon' ny Tompo nitsahatra tao Siona ny fety aman-tsabata; tamin' ny firehetan' ny hatezerany dia nariany amim-panesoana ny mpanjaka amam-pisorona. Il a forcé comme un jardin son enclos, abattu son lieu de réunion. Yahvé a fait oublier dans Sion fêtes et sabbats; il a rejeté, dans l' ardeur de sa colère, roi et prêtre. .
Fit 2:7 The Lord hath cast off his altar, he hath abhorred his sanctuary, he hath given up into the hand of the enemy the walls of her palaces; they have made a noise in the house of the Lord, as in the day of a solemn feast. Ny alitarany narian' ny Tompo, ny fitoerany masina nolaviny; Natolony ho eo an-tànan' ny fahavalo ny mandan' ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon' i Jehovah toy ny amin' ny fotoam-pivavahana ireny. ZAIN Nanjary sosotra amin' ny oteliny ny Tompo sy madikidiky amin' ny fitoerany masina. Natolony ho eo an-tanan' ny fahavalo ny mandan' ny lapany; dia nisy nihorakoraka toy ny amin' ny andro fety tao an-tranon' ny Tompo. Le Seigneur a pris en dégoût son autel, en horreur son sanctuaire; aux mains de l' ennemi il a livré les remparts de ses palais; clameurs dans le Temple de Yahvé comme en un jour de fête!
Fit 2:8 The Lord hath purposed to destroy the wall of the daughter of Zion: he hath stretched out a line, he hath not withdrawn his hand from destroying: therefore he made the rampart and the wall to lament; they languished together. Jehovah ninia handrava ny mandan' i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo. HETH Nosainin' ny Tompo ny handravana ny mandan' ny zanakavavin' i Siona, dia nohenjaniny ny famolaina, tsy nahemony tsy handrava, ny tànany; nataony misaona ny manda sy ny manda ivelany, niara-nitsingidina amin' alahelo ireo. Yahvé a médité d' abattre le rempart de la fille de Sion. Il a étendu le cordeau, ne retirant pas sa main que tout ne soit englouti. Il a endeuillé mur et avant-mur : ensemble ils se désolent.
Fit 2:9 Her gates are sunk into the ground; he hath destroyed and broken her bars: her king and her princes are among the Gentiles: the law is no more; her prophets also find no vision from the Lord. Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin' ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin' i Jehovah. TETH Ny vavahadiny tafalentika amin' ny tany, novakiny, notapahany ny hidiny, ny mpanjakany amam-panapaka efa any amin' ny firenena, tsy misy intsony ny lalàna, ny mpaminany aza tsy mandray fahitana avy amin' ny Tompo intsony. Ses portes sont enfouies sous terre, il en a détruit et brisé les barres; son roi et ses princes sont chez les païens; plus de Loi! Ses prophètes même n' obtiennent plus de vision de Yahvé.
Fit 2:10 The elders of the daughter of Zion sit upon the ground, and keep silence: they have cast up dust upon their heads; they have girded themselves with sackcloth: the virgins of Jerusalem hang down their heads to the ground. Mipetraka amin' ny tany ny loholon' i Ziona zanakavavy ka mangina; Nasiany vovoka ny lohany, misikina lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin' ny tany. YOD Mipetraka mangina amin' ny tany, ny loholon' ny zanakavavin' i Siona; nasiany vovoka ny lohany; mitafy lasàka mitanondri-doha amin' ny tany, ny virjinin' i Jerosalema. Ils sont assis à terre, en silence, les anciens de la fille de Sion; ils ont mis de la poussière sur leur tête, ils ont revêtu des sacs. Elles penchent la tête vers la terre, les vierges de Jérusalem.
Fit 2:11 Mine eyes do fail with tears, my bowels are troubled, my liver is poured upon the earth, for the destruction of the daughter of my people; because the children and the sucklings swoon in the streets of the city. Pahina ny masoko azon' ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin' ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna. KAPH Levona azon' ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin' ny tany ny atiko, noho ny ratran' ny zanakavavin' ny vahoakako, raha ilay toran' ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin' ny kianjan' ny tanàna. Mes yeux sont consumés de larmes, mes entrailles frémissent, mon foie s'épand à terre pour le brisement de la fille de mon peuple, tandis que défaillent enfants et nourrissons sur les places de la Cité. .
Fit 2:12 They say to their mothers, Where is corn and wine? when they swooned as the wounded in the streets of the city, when their soul was poured out into their mothers' bosom. Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay? LAMED Hoy izy amin-dreniny: Aiza no misy mofo sy divay? dia lavo toy ny voan' ny sabatra izy; eny amin' ny kianjan' ny tanàna, ary miala aina eny an-trotroan' ny reniny. Ils disent à leurs mères; " Où y a-t-il du pain ? " tandis qu' ils défaillent comme des blessés sur les places de la Ville, et qu' ils versent leur âme sur le sein de leur mère.
Fit 2:13 What thing shall I take to witness for thee? what thing shall I liken to thee, O daughter of Jerusalem? what shall I equal to thee, that I may comfort thee, O virgin daughter of Zion? for thy breach is great like the sea: who can heal thee? Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao? MEM Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanakavavin' i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanakavavin' i Siona? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao? A quoi te comparer ? A quoi te dire semblable, fille de Jérusalem ? Qui pourra te sauver et te consoler, vierge, fille de Sion ? Car il est grand comme la mer, ton brisement; qui donc va te guérir ?
Fit 2:14 Thy prophets have seen vain and foolish things for thee: and they have not discovered thine iniquity, to turn away thy captivity; but have seen for thee false burdens and causes of banishment. Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy. NUN Ny hitan' ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby. Tes prophètes ont eu pour toi des visions d' illusion et de clinquant, Ils n' ont pas révélé ta faute pour changer ton sort. Ils t' ont servi des oracles, d' illusion et de séduction.
Fit 2:15 All that pass by clap their hands at thee; they hiss and wag their head at the daughter of Jerusalem, saying, Is this the city that men call The perfection of beauty, The joy of the whole earth? Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin' i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian' ny tany rehetra ? SAMECH Miteha-tànana avokoa ny amin' ny momba anao, izay rehetra mandeha amin' ny làlana; misitrisitry sy mihifikifi-doha amin' ny zanakavavin' i Jerosalema. Io va ilay tanàna natao hoe: fahatsaran-tarehy lavorary fifalian' ny tany rehetra? Ils battent des mains à cause de toi tous les passants sur le chemin; ils sifflotent et hochent la tête sur la fille de Jérusalem. " Est-ce là la ville qu' on appelait toute belle, la joie de toute la terre ? "
Fit 2:16 All thine enemies have opened their mouth against thee: they hiss and gnash the teeth: they say, We have swallowed her up: certainly this is the day that we looked for; we have found, we have seen it. Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay. PHE Misanasana vava mamely anao ny fahavalonao rehetra; misitrisitry mikitro-nify, manao hoe: Nolevonintsika izy! Ity no ilay andro nandrasantsika, tratrantsika izy, hitantsika izy! Contre toi, ils ouvrent la bouche, tous tes ennemis; il sifflotent, grincent des dents, disant : " Nous l' avons engloutie! Voilà donc le Jour que nous espérions. Nous le touchons, nous le voyons! "
Fit 2:17 The Lord hath done that which he had devised; he hath fulfilled his word that he had commanded in the days of old: he hath thrown down, and hath not pitied: and he hath caused thine enemy to rejoice over thee, he hath set up the horn of thine adversaries. Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin' ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao. AIN Nataon' ny Tompo izay nokasainy; notanterahany ny teniny izay efa nolazainy hatramin' ny andro taloha; nandrava izy fa tsy niantra, nampifaly ny fahavalo noho ny aminao izy; nanandratra ny tandroky ny mpampahory anao izy. Yahvé a accompli ce qu' il avait résolu, exécuté sa parole décrétée depuis les jours anciens; il a détruit sans pitié. Il a réjoui l' ennemi à tes dépens, exalté la vigueur de tes adversaires. .
Fit 2:18 Their heart cried unto the Lord, O wall of the daughter of Zion, let tears run down like a river day and night: give thyself no rest; let not the apple of thine eye cease. Ny fonao mitaraina amin' ny Tompo: Ry mandan' i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman' alina toy ny riaka; Aza mangina, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao. TSADE Mitaraina amin' ny Tompo ny fon' izy ireo! Ry mandan' ny zanakavavin' i Siona ô! Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao, andro aman' alina; aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao! Aza mety mijanona akory. Crie donc vers le Seigneur, rempart de la fille de Sion; laisse couler tes larmes comme un torrent jour et nuit; ne t' accorde pas de relâche, que tes yeux n' aient pas de repos!
Fit 2:19 Arise, cry out in the night: in the beginning of the watches pour out thine heart like water before the face of the Lord: lift up thy hands toward him for the life of thy young children, that faint for hunger in the top of every street. Mitsangàna, miantsoantsoa amin' ny alina hatramin' ny filatsahan' ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan' ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an' ny ain' ny zanakao madinika, izay anan' ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny. KOPH Mitsangàna, miantsoantsoa mandritra ny alina, hatramin' ny filatsahan' ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan' ny tavan' ny Tompo! Manandrata tànana aminy, ho an' ny ain' ny zanakao madinika, izay lavo toran' ny hanoanana, eny an-joron-dàlana rehetra eny. Debout! Pousse un cri dans la nuit au commencement des veilles; répands ton coeur comme de l' eau devant la face de Yahvé, élève vers lui tes mains pour la vie de tes petits enfants qui défaillent de faim à l' entrée de toutes les rues !
Fit 2:20 Behold, O Lord, and consider to whom thou hast done this. Shall the women eat their fruit, and children of a span long? shall the priest and the prophet be slain in the sanctuary of the Lord? Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin' ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin' ny fitoera-masin' i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany ? RESCH Iaveh ô, jereo ka diniho: Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana? Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve? Dia ny zanany madinika izay malalany? Endrey! Mba efa vonoina eo amin' ny fitoerana masin' ny Tompo, na ny mpisorona na ny mpaminany! " Vois, Yahvé, et regarde : Qui as-tu jamais traité de la sorte ? Fallait-il que des femmes mangent leurs petits, les enfants qu' elles berçaient ? Fallait-il qu' au sanctuaire du Seigneur fussent égorgés prêtre et prophète ?
Fit 2:21 The young and the old lie on the ground in the streets: my virgins and my young men are fallen by the sword; thou hast slain them in the day of thine anger; thou hast killed, and not pitied. Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon' ny sabatra, Novonoinao tamin' ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao. SCHIN Miampatrampatra amin' ny tany eny an-dalambe, ny ankizy sy ny anti-dahy; ny virjiniko aman-jatovoko, lavon' ny sabatra; namono tamin' ny andron' ny fahatezeranao hianao; namono tsy nanana antra hianao! Sur le sol gisent dans les rues enfants et vieillards, mes vierges et mes jeunes gens sont tombés sous l'épée; tu as égorgé au jour de ta colère, tu as immolé sans pitié.
Fit 2:22 Thou hast called as in a solemn day my terrors round about, so that in the day of the Lord' s anger none escaped nor remained: those that I have swaddled and brought up hath mine enemy consumed. Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin' ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin' ny andro fahatezeran' i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin' ny fahavaloko. THAV Nantsoinao, hoatra ny amin' ny andro fety, ny fampangorohoroana ahy hatraiza hatraiza; tamin' ny andron' ny fahatezeran' ny Tompo, tsy nisy afa-nidify na nandositra: naringan' ny fahavaloko izay notiaviko sy nobeaziko! Tu as convoqué comme pour un jour de fête les terreurs de tous côtés; au jour de la colère de Yahvé, il n' y eut rescapé ni survivant. Ceux que j' avais bercés et élevés, mon ennemi les a exterminés. "

<-
->