<-
->

2Sm / 2Sam 18:1 And David numbered the people that were with him, and set captains of thousands, and captains of hundreds over them. Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy. Notsapain' i Davida ny toetry ny vahoaka tao aminy, ka nasiany tompon' arivo sy tompon-jato. David passa en revue les troupes qui étaient avec lui et il mit à leur tête des chefs de mille et des chefs de cent.
2Sm / 2Sam 18:2 And David sent forth a third part of the people under the hand of Joab, and a third part under the hand of Abishai the son of Zeruiah, Joab' s brother, and a third part under the hand of Ittai the Gittite. And the king said unto the people, I will surely go forth with you myself also. Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin' i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin' i Abisay, zanak' i Zeroia, rahalahin' i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin' Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin' ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa. Dia nalamin' i Davida ny vahoaka, ka ny ampahatelony, nataony fehin' i Joaba, ny ampahatelony fehin' i Abisaia, zanak' i Sarvia, rahalahin' i Joaba, ny ampahatelony fehin' i Etaia, Geteana. Ary hoy ny mpanjaka tamin' ny vahoaka: Izaho koa mba handeha hiaraka aminareo. David divisa l' armée en trois corps : un tiers aux mains de Joab, un tiers aux mains d' Abishaï, fils de Çeruya et frère de Joab, un tiers aux mains d' Ittaï le Gittite. Puis David dit aux troupes : " Je partirai en guerre avec vous, moi aussi. "
2Sm / 2Sam 18:3 But the people answered, Thou shalt not go forth: for if we flee away, they will not care for us; neither if half of us die, will they care for us: but now thou art worth ten thousand of us: therefore now it is better that thou succour us out of the city. Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao. Fa hoy ny vahoaka: Aoka tsy handeha hianao, fa raha hampandosiriny izahay raha izahay ihany dia tsy hahoany akory, na maty sasaka aza izahay, tsy hahoany akory; fa hianao kosa dia hoatra ny iray alina aminay, ka metimety kokoa raha avy aty an-tanàna hianao no handeha hamonjy anay. Mais les troupes répondirent : " Tu ne dois pas partir. Car, si nous prenions la fuite, on n' y ferait pas attention, et si la moitié d' entre nous mourait, on n' y ferait pas attention, tandis que toi tu es comme dix mille d' entre nous. Et puis, il vaut mieux que tu nous sois un secours prêt à venir de la ville. "
2Sm / 2Sam 18:4 And the king said unto them, What seemeth you best I will do. And the king stood by the gate side, and all the people came out by hundreds and by thousands. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan' ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan' arivo. Ary hoy ny navalin' ny mpanjaka azy ireo: Izay sitrakareo no hataoko. Dia nitsangana teo anilan' ny vavahady ny mpanjaka nandritry ny nivoahan' ny vahoaka voazara ho tsizatozato sy tsiarivoarivo. David leur dit : " Je ferai ce qui vous semble bon. " Le roi se tint à côté de la porte, tandis que l' armée sortait par unités de cent et de mille.
2Sm / 2Sam 18:5 And the king commanded Joab and Abishai and Ittai, saying, Deal gently for my sake with the young man, even with Absalom. And all the people heard when the king gave all the captains charge concerning Absalom. Ary ny mpanjaka nandidy an' i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin' i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian' ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin' i Absaloma. Izao no didy nomen' ny mpanjaka an' i Joaba sy Abisaia ary Etaia: Tsimbino ilay zatovo Absaloma noho ny amiko. Ren' ny vahoaka rehetra fa nomen' ny mpanjaka didy momba an' i Absaloma ny filohan' ny tafika rehetra. Le roi fit un commandement à Joab, à Abishaï et à Ittaï : " Par égard pour moi, ménagez le jeune Absalom! " et toute l' armée entendit que le roi donnait à tous les chefs cet ordre concernant Absalom.
2Sm / 2Sam 18:6 So the people went out into the field against Israel: and the battle was in the wood of Ephraim; Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin' ny Isiraely, ka rafitra tao amin' ny alan' i Efraima ny ady; Dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hitsena an' Israely, ka rafitra tao anaty alan' i Efraima ny ady. L' armée sortit en pleine campagne à la rencontre d' Israël et la bataille eut lieu dans la forêt d'Éphraïm.
2Sm / 2Sam 18:7 Where the people of Israel were slain before the servants of David, and there was there a great slaughter that day of twenty thousand men. ary resy tao ny lehilahy amin' ny Isiraely teo anoloan' ny mpanompon' i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina. Resy tao ny vahoakan' Israely teo anoloan' ny mpanompon' i Davida, ka vonoan' olona be no tao androtr' izay, fa nisy roa alina no maty. L' armée d' Israël y fut battue devant la garde de David, et ce fut ce jour-là une grande défaite, qui frappa vingt mille hommes.
2Sm / 2Sam 18:8 For the battle was there scattered over the face of all the country: and the wood devoured more people that day than the sword devoured. Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin' ny ala androtrizay dia be noho ny matin' ny sabatra. Nihahaka eran' ny tany rehetra ny ady, ka be ny matin' ala noho ny matin' ny sabatra tamin' izany andro izany. Le combat s'éparpilla dans toute la région, et ce jour-là, la forêt fit dans l' armée plus de victimes que l'épée.
2Sm / 2Sam 18:9 And Absalom met the servants of David. And Absalom rode upon a mule, and the mule went under the thick boughs of a great oak, and his head caught hold of the oak, and he was taken up between the heaven and the earth; and the mule that was under him went away. Ary Absaloma nifanehatra tamin' ny mpanompon' i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin' ny rantsan-kazo mikirindro tamin' ny hazo terebinta, ka voahazon' ny hazo terebinta ny lohan' i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan' ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany. Sendra teo anoloan' ny mpanompon' i Davida Absaloma. Nitaingina mole Absaloma ary nitsofoka tao anatin' ny rantsan' ny terebinta ny lohany, dia tafahantona teo anelanelan' ny lanitra sy ny tany izy, ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso. Absalom se heurta par hasard à des gardes de David. Absalom montait un mulet et le mulet s' engagea sous la ramure d' un grand chêne. La tête d' Absalom se prit dans le chêne et il resta suspendu entre ciel et terre tandis que continuait le mulet qui était sous lui.
2Sm / 2Sam 18:10 And a certain man saw it, and told Joab, and said, Behold, I saw Absalom hanged in an oak. Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin' i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin' ny hazo terebinta Absaloma. Hitan' ity lehilahy anankiray izany ka tonga izy nilaza izany tamin' i Joaba nanao hoe: Indro hitako tafahantona amin' ny terebinta àtsy Absaloma. Quelqu' un l' aperçut et prévint Joab : " Je viens de voir, dit-il, Absalom suspendu à un chêne. "
2Sm / 2Sam 18:11 And Joab said unto the man that told him, And, behold, thou sawest him, and why didst thou not smite him there to the ground? and I would have given thee ten shekels of silver, and a girdle. Ary hoy Joaba tamin' ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin' ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao? Dia hoy Joaba tamin-dralehilahy nilaza izany vaovao izany: Hitanao izy hoe ka no tsy nasianao hiankapoka tery? Dia tsy maintsy ho nomeko volafotsy folo sikla sy fehin-kibo iray hianao. Joab répondit à l' homme qui portait cette nouvelle : " Puisque tu l' as vu, pourquoi ne l' as-tu pas abattu sur place ? J' aurais pris sur moi de te donner dix sicles d' argent et une ceinture! "
2Sm / 2Sam 18:12 And the man said unto Joab, Though I should receive a thousand shekels of silver in mine hand, yet would I not put forth mine hand against the king' s son: for in our hearing the king charged thee and Abishai and Ittai, saying, Beware that none touch the young man Absalom. Fa hoy ralehilahy tamin' i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian' ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an' i Absaloma zatovo. Fa hoy ny navalin-dralehilahy tamin' i Joaba: Tsia, tsy mba haninji-tànana amin' ny zanaky ny mpanjaka aho, na dia volafotsy lanjan' arivo sikla aza no ho mby eo an-tànako, satria samy nandre isika ny didy nomen' ny mpanjaka anao sy Abisaia ary Etaia hoe: Samia hianareo mitandrina tsy haninon-tsy haninona ny zatovo, Absaloma! Mais l' homme répondit à Joab : " Quand même je soupèserais dans mes paumes mille sicles d' argent, je ne porterais pas la main sur le fils du roi! C' est à nos oreilles que le roi t' a donné cet ordre ainsi qu'à Abishaï et à Ittaï : "Par égard pour moi, épargnez le jeune Absalom. "
2Sm / 2Sam 18:13 Otherwise I should have wrought falsehood against mine own life: for there is no matter hid from the king, and thou thyself wouldest have set thyself against me. Tsy misy zavatra azo afenina amin' ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy. Ka raha namadika izany namono ny ainy aho, dia tsy misy hiafina amin' ny mpanjaka akory, fa na dia ny tenanao aza hitsangana hanameloka ahy. Que si je m'étais menti à moi-même, rien ne reste caché au roi, et toi, tu te serais tenu à distance. "
2Sm / 2Sam 18:14 Then said Joab, I may not tarry thus with thee. And he took three darts in his hand, and thrust them through the heart of Absalom, while he was yet alive in the midst of the oak. Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin' ny fon' i Absaloma, raha mbola velona teo amin' ny hazo terebinta izy. Dia hoy Joaba: Tsy te-handany andro aminao aho. Dia nataony an-tànana ny lefona telo, ka ilay mbola velona tao amin' ny hazo terebinta iny Absaloma no notsatohany tamin' ny fony. Alors Joab dit : " Je ne vais pas ainsi perdre mon temps avec toi. " Il prit en mains trois javelots et les planta dans le coeur d' Absalom encore vivant au milieu du chêne.
2Sm / 2Sam 18:15 And ten young men that bare Joab' s armour compassed about and smote Absalom, and slew him. Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian' i Joaba, nanodidina an' i Absaloma ka namely azy ho faty. Nanodidina an' i Absaloma ireto zatovo folo lahy, mpitondra fiadian' i Joaba, dia namono nahafaty azy izy ireo. Puis s' approchèrent dix cadets, les écuyers de Joab, qui frappèrent Absalom et l' achevèrent.
2Sm / 2Sam 18:16 And Joab blew the trumpet, and the people returned from pursuing after Israel: for Joab held back the people. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran' i Joaba izy. Notsofin' i Joaba ny anjomara, ka niverina avy amin' ny fanenjehana an' Israely ny vahoaka fa nohazonin' i Joaba ny vahoaka. Joab fit alors sonner du cor et l' armée cessa de poursuivre Israël, car Joab retint l' armée.
2Sm / 2Sam 18:17 And they took Absalom, and cast him into a great pit in the wood, and laid a very great heap of stones upon him: and all Israel fled every one to his tent. Dia nalain' ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin' ny lainy avy. Dia nalainy Absaloma ka natsipiny tao anatin' ny lavaka lehibe, tao afovoan' ny ala, ary nasiany antontam-bato lehibe dia lehibe teo amboniny. Ary samy nandositra ho any an-dainy avy Israely rehetra. On prit Absalom, on le jeta dans une grande fosse en pleine forêt et on dressa sur lui un énorme monceau de pierres. Tous les Israélites s'étaient enfuis, chacun à ses tentes.
2Sm / 2Sam 18:18 Now Absalom in his lifetime had taken and reared up for himself a pillar, which is in the king' s dale: for he said, I have no son to keep my name in remembrance: and he called the pillar after his own name: and it is called unto this day, Absalom' s place. Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan' ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran' ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an' i Absaloma no anarany mandraka androany. Fony fahavelony, Absaloma dia efa nanao tsangam-bato ho azy, tao amin' ny lohasahan' ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy mba manan-janakalahy hamelo-maso ny anarako aho. Dia nataony araka ny anarany ihany ny anaran' ilay tsangam-bato, ka - Ny tànan' i Absaloma - no fiantson' ny olona azy mandrak' androany. De son vivant, Absalom avait entrepris de s'ériger la stèle qui est dans la vallée du Roi, car il s'était dit : " Je n' ai pas de fils pour commémorer mon nom ", et il avait donné son nom à la stèle. On l' appelle encore aujourd' hui le monument d' Absalom.
2Sm / 2Sam 18:19 Then said Ahimaaz the son of Zadok, Let me now run, and bear the king tidings, how that the Lord hath avenged him of his enemies. Dia hoy Ahimaza, zanak' i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin' ny mpanjaka ny amin' ny nanomezan' i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin' ny fahavalony. Ary hoy Akimaasa, zanak' i Sadaoka: Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin' ny mpanjaka, fa nomen' ny Tompo ny rariny izy, noafahany tamin' ny tànan' ny fahavalony. Ahimaaç, fils de Sadoq, dit : " Je vais courir et annoncer au roi cette bonne nouvelle, que Yahvé lui a rendu justice en le délivrant de ses ennemis. "
2Sm / 2Sam 18:20 And Joab said unto him, Thou shalt not bear tidings this day, but thou shalt bear tidings another day: but this day thou shalt bear no tidings, because the king' s son is dead. Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin' ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao. Fa hoy Joaba taminy: Tsy hitondra ny vaovao anio hianao fa andro hafa hianao no hitondra, fa tsy mba anio no hitondra, satria maty ny zanaky ny mpanjaka. Mais Joab lui dit : " Tu ne serais pas un porteur d' heureux message aujourd' hui; tu le seras un autre jour, mais aujourd' hui tu ne porterais pas une bonne nouvelle, puisque le fils du roi est mort. "
2Sm / 2Sam 18:21 Then said Joab to Cushi, Go tell the king what thou hast seen. And Cushi bowed himself unto Joab, and ran. Ary hoy Joaba tamin' ilay Kosita: Andeha, ambarao amin' ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan' i Joaba, dia lasa nihazakazaka. Dia Kosita anankiray no nilazan' i Joaba hoe: Mandehana lazao amin' ny mpanjaka izay efa hitanao. Niankohoka teo anatrehan' i Joaba ilay Kosita, dia lasa nandeha faingana. Et Joab dit au Kushite : " Va rapporter au roi tout ce que tu as vu. " Le Kushite se prosterna devant Joab et partit en courant.
2Sm / 2Sam 18:22 Then said Ahimaaz the son of Zadok yet again to Joab, But howsoever, let me, I pray thee, also run after Cushi. And Joab said, Wherefore wilt thou run, my son, seeing that thou hast no tidings ready? Fa Ahimaza, zanak' i Zadoka, dia mbola niteny tamin' i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona? Mbola niteny tamin' i Joaba anefa Akimaasa, zanak' i Sadaoka, nanao hoe: Na ho inona na ho inona, avelao ihany aho mba hihazakazaka hanaraka ilay Kosita! Fa hoy Joaba: Ahoana hianao no te-hihazakazaka, anaka? Tsy hahita soa amin' ny fitondrana izany vaovao izany anie hianao! Ahimaaç, fils de Sadoq, insista encore et dit à Joab : " Advienne que pourra, je veux courir moi aussi derrière le Kushite. " Joab dit : " Pourquoi courrais-tu, mon fils, tu n' en tireras aucune récompense. "
2Sm / 2Sam 18:23 But howsoever, said he, let me run. And he said unto him, Run. Then Ahimaaz ran by the way of the plain, and overran Cushi. Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin' ny lalana eny amin' ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an' ilay Kosita. Fa hoy ny navalin' i Akimaasa: Na inona na inona hitranga dia hihazakazaka ihany aho. Ka hoy Joaba taminy: Mihazakazaha àry. Dia nihazakazaka nihazo ny làlana amin' ny tany lemaka Akimaasa, ka tafahoatra an' ilay Kosita. Il reprit : " Advienne que pourra, je courrai! " Joab lui dit : " Cours donc. " Et Ahimaaç partit en courant par le chemin de la Plaine et il dépassa le Kushite.
2Sm / 2Sam 18:24 And David sat between the two gates: and the watchman went up to the roof over the gate unto the wall, and lifted up his eyes, and looked, and behold a man running alone. Ary Davida nipetraka teo anelanelan' ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin' ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka. Nipetraka teo anelanelan' ny vavahady roa Davida. Ary niakatra teo ambonin' ny tafon' ny vavahady, teo ambonin' ny manda ny mpitily, ka nanopy ny masony, dia nahatazana, ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka, ka izy irery ihany. David était assis entre les deux portes. Le guetteur étant monté à la terrasse de la porte, sur le rempart, leva les yeux et aperçut un homme qui courait seul.
2Sm / 2Sam 18:25 And the watchman cried, and told the king. And the king said, If he be alone, there is tidings in his mouth. And he came apace, and drew near. Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin' ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy. Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka. Ka hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia zava-baovao tsara no ao am-bavany. Mbola tamy manatona eo ihany ilay anankiray, Le guetteur cria et avertit le roi, et le roi dit : " S' il est seul, c' est qu' il a une bonne nouvelle sur les lèvres. " Comme celui-là continuait d' approcher,
2Sm / 2Sam 18:26 And the watchman saw another man running: and the watchman called unto the porter, and said, Behold another man running alone. And the king said, He also bringeth tidings. Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy. dia nisy olona anankiray nihazakazaka hitan' ity mpitily koa, ka niantso ny mpiandry vavahady ny mpitily nanao hoe: Indro misy lehilahy anankiray mihazakazaka ka irery ihany izy. Dia hoy ny mpanjaka: Vaovao tsara koa no entin' izy io. le guetteur qui était sur la porte cria : " Voici un autre homme, qui court seul. " Et David dit : " Celui- ci est encore un messager de bon augure. "
2Sm / 2Sam 18:27 And the watchman said, Me thinketh the running of the foremost is like the running of Ahimaaz the son of Zadok. And the king said, He is a good man, and cometh with good tidings. Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak' i Ahimaza, zanak' i Zadoka, no fihazakazak' iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany. Ary hoy ny mpitily: Hitako fa fihazakazak' i Akimaasa zanak' i Sadaoka no fihazakazak' ity voalohany. Ka hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no ihaviany. Le guetteur dit : " Je reconnais la façon de courir du premier, c' est la façon de courir d' Ahimaaç, fils de Sadoq. " Le roi dit : " C' est un homme de bien, il vient pour une bonne nouvelle. "
2Sm / 2Sam 18:28 And Ahimaaz called, and said unto the king, All is well. And he fell down to the earth upon his face before the king, and said, Blessed be the Lord thy God, which hath delivered up the men that lifted up their hand against my lord the king. Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin' ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin' ny mpanjaka tompoko. Niantso mafy Akimaasa ka nanao tamin' ny mpanjaka hoe: Fandresena! Izay vao niankohoka tamin' ny tany, teo anatrehan' ny mpanjaka izy, nanao hoe: Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitrao, fa efa nafoiny ny olona nanainga tànana hikomy amin' ny mpanjaka tompoko. Ahimaaç s' approcha du roi et dit : " Salut! " Il se prosterna face contre terre devant le roi et poursuivit : " Béni soit Yahvé ton Dieu qui a livré les hommes qui avaient levé la main contre Monseigneur le roi! "
2Sm / 2Sam 18:29 And the king said, Is the young man Absalom safe? And Ahimaaz answered, When Joab sent the king' s servant, and me thy servant, I saw a great tumult, but I knew not what it was. Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin' ny nanirahan' i Joaba ny mpanompon' ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony. Dia hoy ny mpanjaka: Mba tsara tsy misy maninona va ny amin' ny zatovo, Absaloma? Ka hoy ny navalin' i Akimaasa: Nahatazana vahoaka nitangorona aho, tamin' ny nanirahan' i Joaba ny mpanompon' ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa, kanefa tsy mahalala aho na inona na inona izany. Le roi demanda : " En va-t-il bien pour le jeune Absalom ? " Et Ahimaaç répondit : " J' ai vu un grand tumulte au moment où Joab, serviteur du roi, envoyait ton serviteur, mais je ne sais pas ce que c'était. "
2Sm / 2Sam 18:30 And the king said unto him, Turn aside, and stand here. And he turned aside, and stood still. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo. Dia hoy ny mpanjaka: Mitanilà kely ary mitoera etsy àry hianao. Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo. Le roi dit : " Range-toi et tiens-toi là. " Il se rangea et attendit.
2Sm / 2Sam 18:31 And, behold, Cushi came; and Cushi said, Tidings, my lord the king: for the Lord hath avenged thee this day of all them that rose up against thee. Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin' izay rehetra nitsangana hikomy aminao. Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino zava-baovao mahafaly, fa nomen' ny Tompo anao androany ny rariny, ny amin' izay rehetra nitsangana hikomy aminao. Alors arriva le Kushite et il dit : " Que Monseigneur le roi apprenne la bonne nouvelle. Yahvé t' a rendu justice aujourd' hui en te délivrant de tous ceux qui s'étaient dressés contre toi. "
2Sm / 2Sam 18:32 And the king said unto Cushi, Is the young man Absalom safe? And Cushi answered, The enemies of my lord the king, and all that rise against thee to do thee hurt, be as that young man is. Ary hoy ny mpanjaka tamin' ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon' ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny. Fa hoy ny mpanjaka tamin' ilay Kosita: Tsara tsy misy maninona va ny amin' ny zatovo, Absaloma? Ary hoy ny navalin' ilay Kosita: Hanahaka iny zatovo iny anie ny fahavalon' ny mpanjaka tompoko, mbamin' izay rehetra mitsanga-kanisy ratsy anao! Le roi demanda au Kushite : " En va-t-il bien pour le jeune Absalom ? " Et le Kushite répondit : " Qu' ils aient le sort de ce jeune homme, les ennemis de Monseigneur le roi et tous ceux qui se sont dressés contre toi pour le mal! "
2Sm / 2Sam 18:33 And the king was much moved, and went up to the chamber over the gate, and wept: and as he went, thus he said, O my son Absalom, my son, my son Absalom! would God I had died for thee, O Absalom, my son, my son!

<-
->