Teny iditra | lakampiara | |
Singan-teny | lakana ; fiara | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | Lakana lehibe maro natambatra, misy fanarenana azy raha atongilan' ny onja, fitondran' ny mpanjono eny an-dranomasina [1.1] | |
[ lakam-piara ] Lakana misy tanany fanarenana [1.13] | ||
Fanazavàna teny frantsay | Pirogue à balancier [1.13] | |
Ohatra | Nony niandry ela kanefa tsy nahazo valiny izy dia lasa nandeha lakampiara nankany Bourbon ka tonga tany tamin'ny avrily.
[2.508] | |
Voambolana | Fitaterana ~ Fifamoivoizan-tsambo | |
Nohavaozina tamin' ny 2023/06/16 |