Teny iditra zerana (zera)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Latsahana: Nozeran' ny taila ny lohan-janako
Asiana, riatana: Nozeran' ny miaramila ny fahavalo ka rifatra nandositra
Tsipazana (zavatra mavesatra): Nozerany vato be ilay bibilava ka dangy terỳ [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : zerana, zerako, zeranao, zerany, zerantsika, zeranay, zeranareo, zeran', zeran-, zeram-, zera-
Ny lasa : nozerana, nozerako, nozeranao, nozerany, nozerantsika, nozeranay, nozeranareo, nozeran', nozeran-, nozeram-, nozera-
Ny hoavy : hozerana, hozerako, hozeranao, hozerany, hozerantsika, hozeranay, hozeranareo, hozeran', hozeran-, hozeram-, hozera-
Filaza mandidy : zerao

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20