Teny iditra vivitina (vivitra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Entina amin' ny tendrony, amin' ny sofiny, amin' ny molony: Aza vivitina amin' ny molony io vilany io sao dia vaky
Sintontsintonina, roridroritina: Aza vivitinao ny akanjoko sao rovitra
(teny) Tsongoina dia roritina hiadiana: Teny diso lasa tsy nahy dia novivitiny ka lasa ady saika tsy vita mihitsy [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : vivitina, vivitiko, vivitinao, vivitiny, vivitintsika, vivitinay, vivitinareo, vivitin', vivitin-, vivitim-, viviti-
Ny lasa : novivitina, novivitiko, novivitinao, novivitiny, novivitintsika, novivitinay, novivitinareo, novivitin', novivitin-, novivitim-, noviviti-
Ny hoavy : hovivitina, hovivitiko, hovivitinao, hovivitiny, hovivitintsika, hovivitinay, hovivitinareo, hovivitin', hovivitin-, hovivitim-, hoviviti-
Filaza mandidy : vivito

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20