Teny iditra vesarina (vesatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tsindriana zavatra be lanja: Aza vesarina entana io zaza io fa mbola kely ~ Novesarinao adidy lehibe aho, nefa na dia izany aza tsy hiamboho adidy aho
Tototra: Vesarin' alahelo ny fony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be loaded down, to be weighed upon [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on charge, qui est accablé [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : vesarina, vesariko, vesarinao, vesariny, vesarintsika, vesarinay, vesarinareo, vesarin', vesarin-, vesarim-, vesari-
Ny lasa : novesarina, novesariko, novesarinao, novesariny, novesarintsika, novesarinay, novesarinareo, novesarin', novesarin-, novesarim-, novesari-
Ny hoavy : hovesarina, hovesariko, hovesarinao, hovesariny, hovesarintsika, hovesarinay, hovesarinareo, hovesarin', hovesarin-, hovesarim-, hovesari-
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20