Teny iditra vazanana (vazana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Kekerina mafy: Novazanan' ny alika ny feny ka naratra ary lasa haingana any amin' ny Dokotera izy
Terena mba hanoka-bava sy nify: Tsy maintsy vazanana i Koto rehefa ampisotroina fanafody [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : vazanana, vazanako, vazananao, vazanany, vazanantsika, vazananay, vazananareo, vazanan', vazanan-, vazanam-, vazana-
Ny lasa : novazanana, novazanako, novazananao, novazanany, novazanantsika, novazananay, novazananareo, novazanan', novazanan-, novazanam-, novazana-
Ny hoavy : hovazanana, hovazanako, hovazananao, hovazanany, hovazanantsika, hovazananay, hovazananareo, hovazanan', hovazanan-, hovazanam-, hovazana-
Filaza mandidy : vazano

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31