Teny iditra vavarana (vavatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tatahana kely
Vahana, velarina
Aseho, ambara, aposaka [1.1]
Ohatra 
1Efa teny amin'ny tendan'i Fandrava ny tady vavarana vao taitra izy. [2.895]
2Soa ihany kosa fa maika loatra ireo ka tsy nampiany ny fatorana fa dia ilay tady vavarana ihany no nangeja ahy. [2.643]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : vavarana, vavarako, vavaranao, vavarany, vavarantsika, vavaranay, vavaranareo, vavaran', vavaran-, vavaram-, vavara-
Ny lasa : novavarana, novavarako, novavaranao, novavarany, novavarantsika, novavaranay, novavaranareo, novavaran', novavaran-, novavaram-, novavara-
Ny hoavy : hovavarana, hovavarako, hovavaranao, hovavarany, hovavarantsika, hovavaranay, hovavaranareo, hovavaran', hovavaran-, hovavaram-, hovavara-
Filaza mandidy : vavaro
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/18