Teny iditra tsongoina (tsongo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Terena amin' ny hohon-tanana: Sao dia notsongoinao dry ity zaza ity fa tsy mety mankany aminao intsony
Forana, atao hasoavana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be pinched, to be nipped: to be felt of [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on pince, qu'on cueille, qu'on palpe [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsongoina, tsongoiko, tsongoinao, tsongoiny, tsongointsika, tsongoinay, tsongoinareo, tsongoin', tsongoin-, tsongoim-, tsongoi-
Ny lasa : notsongoina, notsongoiko, notsongoinao, notsongoiny, notsongointsika, notsongoinay, notsongoinareo, notsongoin', notsongoin-, notsongoim-, notsongoi-
Ny hoavy : hotsongoina, hotsongoiko, hotsongoinao, hotsongoiny, hotsongointsika, hotsongoinay, hotsongoinareo, hotsongoin', hotsongoin-, hotsongoim-, hotsongoi-
Filaza mandidy : tsongoy
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/10