Teny iditra tsapaina (tsapa)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Kasihina amin' ny tanana: Tsy azo tsapain-tanana ny vokatry ny asa saina
Pondipondena: Tsapao kely ange ho hitanao ny hatavin' ity vorona ity e!
Adinina: Notsapaina tamin' ny resaka sy ny marika ny fahaizako
Andramana: Rahoviana no hotsapaina ilay ombinareo vao nofoiahina?
Fantarina amin' ny alalan' ny fanontaniana; harofana, anaovana don-tandroka: Notsapaiko izay tena heviny marina
Zahana toetra: Matetika ny olo-marina no tsapain' Andriamanitra amin' ny fakam-panahy masiaka dia masiaka [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsapaina, tsapaiko, tsapainao, tsapainy, tsapaintsika, tsapainay, tsapainareo, tsapain', tsapain-, tsapaim-, tsapai-
Ny lasa : notsapaina, notsapaiko, notsapainao, notsapainy, notsapaintsika, notsapainay, notsapainareo, notsapain', notsapain-, notsapaim-, notsapai-
Ny hoavy : hotsapaina, hotsapaiko, hotsapainao, hotsapainy, hotsapaintsika, hotsapainay, hotsapainareo, hotsapain', hotsapain-, hotsapaim-, hotsapai-
Filaza mandidy : tsapao
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20