Teny iditra tendrena (tendry)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Kasihina amin' ny loharantsana: Notendreko ny sorony dia niherika izy
(zavamaneno fitendry) Kasihina mba hamoaka feo: Notendreny ilay gitara ka nangina daholo ny tao an-trano
Tondroin' ny lehibe na ny fanjakana hanao zavatra na hiasa amin' ny toerana iray: Tamin' ny 1972 izy no notendrena ho any Toamasina
Asiana mari-tsindrimpeo: Tokony hotendrena ny "a" faharoa amin' ny teny hoe "lalàna"
Ihinanana kely [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tendrena, tendreko, tendrenao, tendreny, tendrentsika, tendrenay, tendrenareo, tendren', tendren-, tendrem-, tendre-
Ny lasa : notendrena, notendreko, notendrenao, notendreny, notendrentsika, notendrenay, notendrenareo, notendren', notendren-, notendrem-, notendre-
Ny hoavy : hotendrena, hotendreko, hotendrenao, hotendreny, hotendrentsika, hotendrenay, hotendrenareo, hotendren', hotendren-, hotendrem-, hotendre-
Filaza mandidy : tendreo
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20