Teny iditra sosana (sosa)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza olona izay andefasana (lakana) mikorisa milamina mankeny aminy: Sosay lakana aho, rey olona erỳ andafin-drano [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sosana, sosako, sosanao, sosany, sosantsika, sosanay, sosanareo, sosan', sosan-, sosam-, sosa-
Ny lasa : nososana, nososako, nososanao, nososany, nososantsika, nososanay, nososanareo, nososan', nososan-, nososam-, nososa-
Ny hoavy : hososana, hososako, hososanao, hososany, hososantsika, hososanay, hososanareo, hososan', hososan-, hososam-, hososa-
Filaza mandidy : sosay, sosao

Teny iditra sosaña
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Vola na omby omen'ny havan-drazazalahy ny havan-drazazavavy noho ny hadisoana vitany tamin havan-drazazavavy [1.78]

Teny iditra Sosana
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy Sosana [2.996]
 Shushan [2.996]
Fanazavàna teny frantsay Suse [2.996]
Ohatra Armenia sy Media sy Sosana ary Babylona, fa toa tsy sahy nanafika an' i Palestina intsony izy. [1.38]
Voambolana 
Tovy hevitra Sosa
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20