Teny iditra sesefana (sesika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ampidiran-javatra betsaka izay atsofoka atao mifanizina: Nosesefanao kapoaka angaha ity ondana ity no malemilemy mahafinaritra toy izany / Sesefany mofo tontolo andro ny zana-dRamatoa io ka aiza no tsy harory kibo
Asiana, lerana: Sesefo ny totohondry, leity, io raha mamely an' ialahy [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sesefana, sesefako, sesefanao, sesefany, sesefantsika, sesefanay, sesefanareo, sesefan', sesefan-, sesefam-, sesefa-
Ny lasa : nosesefana, nosesefako, nosesefanao, nosesefany, nosesefantsika, nosesefanay, nosesefanareo, nosesefan', nosesefan-, nosesefam-, nosesefa-
Ny hoavy : hosesefana, hosesefako, hosesefanao, hosesefany, hosesefantsika, hosesefanay, hosesefanareo, hosesefan', hosesefan-, hosesefam-, hosesefa-
Filaza mandidy : sesefo
Tsipelina hafa 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20