Teny iditra sedraina (sedra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Andramana: Efa nosedrainao ve io fiara kasainao hovidina io?
Tsapaina mba hanamarinana ny maha-izy azy marina, ny maha-tsara azy: Sedraina ny volamena sao tsy izy fa sandoka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be tried or tested [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on met à l'épreuve [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : sedraina, sedraiko, sedrainao, sedrainy, sedraintsika, sedrainay, sedrainareo, sedrain', sedrain-, sedraim-, sedrai-
Ny lasa : nosedraina, nosedraiko, nosedrainao, nosedrainy, nosedraintsika, nosedrainay, nosedrainareo, nosedrain', nosedrain-, nosedraim-, nosedrai-
Ny hoavy : hosedraina, hosedraiko, hosedrainao, hosedrainy, hosedraintsika, hosedrainay, hosedrainareo, hosedrain', hosedrain-, hosedraim-, hosedrai-
Filaza mandidy : sedrao

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20