Teny iditra saronana (sarona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asiana sarona na rakotra: Sarony ny vary sao mangatsiaka
Asiana lamba na zavatra hafa mba hanakonana azy: Mbola saronana aloha ny mpanao fampitaha vao aseho ho hitan' ny be sy ny maro
Tsy avela hiseho, afenina: Aza saronana ny tsara ataon' ny olona
Hodidinina: Nosaronan' ny miaramila ny fahavalo ka tratra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be covered [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on couvre [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : saronana, saronako, saronanao, saronany, saronantsika, saronanay, saronanareo, saronan', saronan-, saronam-, sarona-
Ny lasa : nosaronana, nosaronako, nosaronanao, nosaronany, nosaronantsika, nosaronanay, nosaronanareo, nosaronan', nosaronan-, nosaronam-, nosarona-
Ny hoavy : hosaronana, hosaronako, hosaronanao, hosaronany, hosaronantsika, hosaronanay, hosaronanareo, hosaronan', hosaronan-, hosaronam-, hosarona-
Filaza mandidy : sarony
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20