Teny iditra Ralaikamboty
Sokajin-teny anarana hita ao amin' ny ohabolana [fitanisana]
Ohabolana 

Teny iditra Ralaikamboty
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rajaobelison Samuël
Lahatsoratra 
Kanety telo no mba fananana.
Voaisa lava sy maty an-tanana ;
rovi-jiafotsy no isalorana,
izay tsy voavitrana nofatorana !
Ralaikamboty manara-tsena,
miandry'zay olona mba onena !

Manao mbay lalana ombieny ombieny
no sady mangataka lavareny ;
sendra vomanga, mambosibosika,
sendra olon-doza, voatositosika:
Ralaikamboty tomany homana,
singany irery ao an-katakonana!

Harona kely tsizarizary,
feno ombi-kena sy tonom-pary,
arahin'ny lalitra moramora,
k'izay tsy mihoaka mitsipi-drora:
omby mahia tsy lelafi-namana,
tranon'ny ory tsy manavanana !

Endrika hatsatra sy mandràka ,
dindon'ny fiainany latsa-paka,
maso efa lalina sady haolo,
" taola-mitsangana " , hoy ny Ntaolo:
Ralaikamboty tsy mba mihety
na andro lanonana na andro fety!
Endrey izato lotony loza loatra,
nilaozan'ny tanana mpanamboatra:
ineny nialoha any an-danitra any,
idada tsy namana ety an-tany,
ny havana akaiky mandatsalatsa ,
Ralaikamboty tsy misy patsa!

Rava ny tsena, hariva ny andro,
lasa'reo olona mba hahandro;
Ralaikamboty no sisa hita
revo mitsimpona ery am-pita;
alika mierona mitofezaka
no ifandrombahana an'ezakezaka!

Latsaka ny alina mamanala,
Ralaikamboty misalasala:
Hody, tsy manana izay akany;
hijanona an-tsena, mba mafy ihany;
ambany sarety efa kotrakotra
no indro midaboka sy mitsotra!

Rehefa nanapitra ron-doha
ka nitanisa'reo tsy hifoha,
sasatra mantsy fa malamalana ,
sovohin-tory mahalankalana ;
mbola migoika sy miolanolana,
tazan'ny kintana sy ny volana!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02