Teny iditra poahana (poaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Tifirina: Nopoahany basy ny alikany ka maty
Torahana, tsipazana: Aoka hopoahako vato io vorona io
Asiana: Tsy manaiky aho fa nopoahan' ny zokin' ialahy totohondry ny zandriko
Latsahana: Nopoahan' ny mpanao behariva ny paisonay ka najifa
Natao amim-pahaizana, am-paharisihana: Nopoahany ny tsianjery ka vaky vava daholo ny olona rehetra nanatrika [1.1]
Ohatra Nony efa vita ny velirano dia no poahana basy iray vava ireo fomba ireo. [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : poahana, poahako, poahanao, poahany, poahantsika, poahanay, poahanareo, poahan', poahan-, poaham-, poaha-
Ny lasa : nopoahana, nopoahako, nopoahanao, nopoahany, nopoahantsika, nopoahanay, nopoahanareo, nopoahan', nopoahan-, nopoaham-, nopoaha-
Ny hoavy : hopoahana, hopoahako, hopoahanao, hopoahany, hopoahantsika, hopoahanay, hopoahanareo, hopoahan', hopoahan-, hopoaham-, hopoaha-
Filaza mandidy : poahy

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20