Teny iditra Mpiandry omby
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Andriarimalala René
Lahatsoratra 
Injany re tsitapitapy
Any an-tendrombohitra any
Ny firefotry ny japy.

Rivorivo be mifioka !
Izay nandraraka an'izany?
Tovolahy mampiady sioka.

Mpiandry omby maro andiany
Mihosy ahitra efa hoto
Fa avy ny hariva hodiany.
Sady milalao no miasa,
Misakana omby tsy hifanoto;
Fa nivadika ny rasa…

Ka manenjana salaka
Ny vantobanto-jazalahy
Manao tolona sy daka.

Manatanja-tena izy
Ho mahery toa ombalahy
Fa efa maika tsy ho ankizy!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02